Archives de Tag: Tondromolotra

Fihavanana sa Fahamarinana: safidy sarotra ho an’ny Malagasy!

© Felix Mizioznikov

© Felix Mizioznikov

Manintona ny saina avy hatrany ny hoe: “Fa maninona moa no mila misafidy hoe: Fihavanana sa Fahamarinana?”; F’angaha moa tsy afaka miaraka ny Fihavanana sy ny Fahamarinana? Tranga fahita eo amin’ny fiainam-pirenena sy fiainana andavanandro fa foto-kevitra roa mifanindry na mifanohitra matetika ireo manoloana ny fanapahan-kevitra isan-karazany sy amin’ny fifandraisana amin’ny mpiara-belona amin’ny ankapobeny.

Misy lafy tsarany sy lafy ratsiny ny zavatra rehetra, ary tsy afa-miala amin’izany ny Fihavanana. Raha hiaraha-mahalala ny lafy tsaran’ ny Fihavanana dia azo heverina koa anefa ny lafy ratsiny aterak’izany.

Etsy an-daniny, hiaraha-mahafantatra fa manelingelina ny mpanao lalan-dririnina ny Fahamarinana satria tsy hahafahana manao ny tiana atao. Ka  anisan’ny fitaovana iray fampiasa matetika ny Fihavanana hanakonana an’izany.

Te hividy ny lohany fa matahotra ny masony

Ny ankamaroan’ny Malagasy dia maniry hanana fiainana mirindra manara-penitra, mitady fiaraha-monina hanjakan’ny fandrihampahalemana. Samy mitaky fandrosoana sy fivoarana eo amin’ny fiainana andavanandro ny tsirairay kanefa vitsy no sahy mametraka ny toe-tsaina ahatongavana amin’izany.

Faniriantsika ny hoe hametraka fanjakana tan-dalàna ary takiana matetika ny hoe fangaraharana. Fa firy amintsika Malagasy anefa no miaina arak’izany faniriana izany eo amin’ny fiainana andavanandro? Toa mora ny mitaky izany amin’ny hafa fa manahirana kosa ny mampiatra izany ho an’ny tena.

Tsy efa fahazarana sy eken’ny sain’ny tsirairay ve ny hoe raha sanatria misedra olana dia hafa ihany ny lava tanana sy mahitahita. Raha manao ny tsy mety dia samy mampiasa ny “tambazotrany” ny tsirairay ho tafavoaka, ny fahafantaran’olona matetika dia lasa fitaovana hanaronana ny Fahamarinana na hanovana ny fizotran’ny raharahara ho tombontsoan’ny tena.

Fanontaniana fametraka eto ny hoe « Mampivoatra ve ny fiaraha-monina Malagasy? », inona no lafy tsarany amin’ny kolontsain-tsika Malagasy izay tokony hotrandrahana mba hanovana sy hanatsarana ny fiainan’ny tsirairay? Ary inona kosa no tokony mila fanovana? Matetika dia nohon’ny rohim-pihavanana misy eo amin’ny mpiray tanindrazana, mpianakavy, mpinamana, mpiara-miasa, mpiray fikambanana, mpiray tanàna, dia toa aleontsika takonana ny marina toa izay “hanome lamosina” na “hamadika” an’ireo vondron’olona ireo.

Ny “Tiana atao” sa ny “Tokony ho atao”?

Tantara anankiray no hisarihana ny saintsika amin’ny alalan’ny fanadihadiana iray nataona mpandinika ireto: Trompenaars sy Hampden-Turner (1997) tamina firenena vitsivitsy:

“Tafiaraka ianao sy ny namanao akaiky, izy no mitondra ny fiara. Mandalo amin’ny làlana izay voafetra ho 40 km isan’ora ny hafainganam-pandeha ianareo. Tsikaritrao fa mandeha mafy ny fiara ary mihoatra lavitra ny tarehimarika voalaza etsy ambony ny fandehany. Nampahatsiahy azy ianao fa tokony hitandrina izy kanefa notohizany ihany ny ataony. Tampoka teo, nisy olona niampita ny arabe ka tsy tafajanona ny fiara ka maty tsy tra-drano ilay mpandeha tongotra. Ianao irery no vavolombelona teo amin’ilay toerana tamin’io fotoana io. Nilaza ny mpisolo-vavan’ ny namanao fa tsy higadra izy raha toa ka milaza eo anatrehan’ny fitsarana ianao fa nanaja soa aman-tsara ny hafainganam-pandeha araka ny tokony ho izy ilay namanao. Inona no ataonao?”

Valin-teny roa no hisafidiananao:

Safidy voalohany: “Nohon’ ny rohim-pihavanana misy eo aminay, manantena ary maniry ahy hanohana sy hiaro azy ny namako ka izay indrindra no andeha ho ataoko mba tsy higadra izy.”

Lire la suite

Publicités

Tsaho + Tondromolotra = Armes de destruction massive gasy

Fitsaram-bahoaka

© Imre Forgo

Impiry isika no maheno firesaka : « Nisy an’izao HONO… » na « Izao indray HONO no malaza e… » na « Izao HONO no fandehan’io resaka io… » na « i Ranona anie HONO… « , ets. Feno HONO ny resaka rehetra. Inona no tena vaovao mari-pototra? Resaka noatavizina? Sa resaka tiana atao fotsiny?

Hiaraha-mahalala fa isika Malagasy dia havanana amin’ny fitiavan-dresaka. Isika rahateo manana Kolontsaina niaina sy nifampita ny tantara tamin’ny alalan’ny lovatsofina. Noho izany efa ao anatintsika mihitsy ity fahaizana miresaka sy mampita resaka ity.

Mazava loatra fa tsy ny lovatsofina no olana eto fa ny fitiavana manitatra sy fanapariahana vaovao tsy marina ary ny famoronan-javatra fotsiny tsotra izao. Mazava ihany koa fa tsy ny olona rehetra no mpamoron-tsaho, fa misy ny tena havanana amin’ity taranja ity.

Ny olana goavana matetika dia ny fitanterantsika sy fanapariahana feo na vaovao izay tsy hananantsika antoka ny fahamarinany. Te hiseho ho mahitahita vaovao tsy fahitan’ny hafa ve? Sa mba te handray anjara na hanafana resaka ka tsy maninona na milaza vaovao tsy marina aza?

Ny mampihomehy sady mampalahelo matetika dia ny mpitantara manitatra ary ny mpihaino koa tsy mamakafaka: tafahaona ny tia sy ny manina. Ny zava-doza dia tantara na vaovao tsy fata-pihaviana sy tsy fata-pototra no miparitaka ka heverina ho zava-misy ka voizin’ny besinimaro. Misy karazan’olona hafa indray miezaka mametraka sy mampiomana fa ilay “feo” izay henony dia tsy fantany ny fahamarinany fa kosa resahana ihany aloha sao dia…Matetika ireny resaka ireny dia miatomboka na miafara amin’ilay fiteny hoe: “Tsy haiko aloha izay fahamarinany an! Fa izany HONO!”

Mitovy ihany ny vokany aty amin’ny farany satria rehefa foy ny resaka ka miampita dia manana helatra hoy ny fitenenana. Ny mahavarina sy mahagaga indraindray dia na ny mpanao gazety sasany aza latsaka sy manamparitaka an’ireny “feo” ireny amin’ny haino aman-jery. Ny antenain-kanirina indray no mampivandravandra?

Tsy lavitra an-draTsaho ny Tondromolotra satria ilay “feo” niparitaka dia efa noraisina ho “zava-misy” sy “fahamarinana” ho an’izay rehetra tsy mandinika sy tsy mamakafaka ary atosiky ny hafanam-po ka mitarika tondromolotra eny amin’ny fiaraha-monina.

Ny Tsaho no bala ary ny Tondromolotra no basy…

Lire la suite


%d blogueurs aiment cette page :