Archives de Tag: Fahendrena Malagasy

Zanak’Antitra sa Zaza Mahiratra?

© MorgueFile "Ny ankizy afafy androany no olon-dehibe jinjaina rahampitso" Gasy Impact

© MorgueFile
« Ny ankizy afafy androany no olon-dehibe hojinjaina rahampitso » Gasy Impact

Azo tsorina angamba hoe ny toerana omena ny ankizy sy ny famolavolana azy ankehitriny no hamaritra ny endriky ny firenena iray afaka taona vitsivitsy. Ka tsy ny zaza androany ve moa no ho olon-dehibe rahampitso sy rahatrizay? Zaza nanao ahoana loatra ny lehibe ankehitriny no dia sahala amin’izao ny fiainam-pirenena misy antsika? Ary Malagasy manao ahoana no handova an’i Madagasikara rahampitso?

Lasa ihany ny saina indraindray rehefa manao fampitahana tsotsotra ny zaza Malagasy amin’ny zana-bazaha rehefa hanaovan’ny mpanao gazety “interview”. Raha hapetraka ohatra ny fanontaniana hoe: “Nanao inona ianareo androany tany am-pianarana?” dia tsy vitsy ny zaza Malagasy no hanao famaliana karazan’ny hoe: “Nianatra…” na hoe “Nilalao…”.

Raha rohitina ny fanontaniana hoe: “Dia nanao ahoana ny tany?” dia mety ho tsotra koa ny valiny hoe: “Nahafinaritra…”. Izay ihany dia mety ho vita ny kabary.

Fa ny zana-bazaha kosa amin’ny ankapobeny dia tsy mihafahafa mitantara sy manome antsipirian-kevitra ary mamboraka ny ao am-pony. Ny sasany aza milaza ny tsy anontaniana azy akory indraindray.

Fehiny: toa sahala amin’ny miolakolaka sy voafehifehy tsy misokatra tsara izany ny zaza Malagasy amin’ny ankapobeny.

Manana tontolo mendrika mampivela-tsaina ve ny zaza Malagasy?

Azo lazaina avy hatrany anefa fa tsy hoe akory mahiratra kokoa ny zana-bazaha raha oharina amin’ny zaza Malagasy fa ny fomba fanabeazana sy ny toerana omena azy ireo no tsy mitovy.

Ny an’ny vahiny, mbola kely ny ankizy dia ampianarina hiaro sy hijoro amin’ny maha-izy azy. Hamporisihana ny zaza handray andraikitra sy haneho ny heviny. Omena azy ny fahalalana ilainy mba ahafahany manana fahamatorana hiatrika ny tontolo manodidina azy.

Eto amintsika ny ankizy matotra mandray andraikitra sy maneho hevitra dia zanak’antitra no fiantso azy. Toa mampihomehy sy mampalahelo izany no andraisan’ny maro azy.

Lire la suite

Publicités

Fangoronan-karena: Ny Vola No Maha-Olona

© Inge Schepers  Dreamstime

© Inge Schepers Dreamstime

Raha fiteny ny hoe “ny vola no maha-rangahy” na “ny Fanahy no maha-olona”, ankehitriny kosa toa lasa ny vola mihitsy no handrefesana ny maha-olona. Lasa sahala amin’ny tany tsy misy Soatoavina sy tsy manam-panahy i Madagasikara. Toa lasa ny vola no fetra. Ny fari-pananana no hisehoana sy ijoroana ary hiavahana eo amin’ny fiaraha-monina. Ny fahalalana sy ny fahendrena ary ny fitondran-tena mendrika toa efa nilaozan’ny toetr’andro. Hany ka samy manao izay ho afany ny tsirairay mangorona harena amin’ny fomba rehetra – na tsara na ratsy – tsy tahotra tsy henatra intsony. Izay ve izany izao no fenitra eto amin’ny firenena?

Ny zavatra hita sy tsapa dia mahazo vahana tanteraka ny herin’ny vola eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika. Ny vola fitady, tsy misy maha-diso an’izany. Ary izay rahateo no anisan’ny hilofosan’ny rehetra isan’andro fa saingy rehefa ny vola kosa no lasa laharam-pahamehana ka misongona ny toeran’ny Soatoavina rehetra dia tsy mahagaga raha ny didin’ny be sandry sy  ny mpanao lalankita-kisoa no manjaka.

Tofoka sy leo ny fahantrana ary ny fahasahiranana ve isika Malagasy ka tsy mifidy fomba hivoahana amin’izany intsony?

Ny vola sy ny fisehosehoana ety ivelany ankehitriny no toa lasa hanehoan’ny olona ny maha-izy azy. Efa lasa sangisangy zaritena eny rehetra eny ny karazam-pitenenana sahala amin’ny hoe: “Hianatra dia ho aiza?”, “Hanao mpiasa birao dia hikarama firy mille?”, “Toa izay manao ny mety sy ny marina ihany no mihinana ny tsy fihinana!”, “Ka rehefa hifanaovana dia aleo samy manao e!”

Lire la suite


Mampivoatra ve ny fiaraha-monina Malagasy? Aiza ny toeranao amin’ireto toetra 7 ireto?

Azo heverina sy hantenaina angamba fa ny Malagasy tsirairay dia manam-paniriana ny hivoatra araka ny tokony ho izy, sahala amin’ny olona rehetra eran-tany izay mitovy filàna fototra aminy. Fa ny firaha-monina misy antsika Malagasy ve anefa manampy antsika hivelatra sy hanatratra ny tanjona sy fanirian’ny tsirairay ? Ny soatoavina Malagasy ve ampy sy manampy amin’ny fandrindrana ny fiaraha-monina ? Ny kolotsaina Malagasy ve manosika ny fivoaran’ny isam-batan’olona ?

Andavanandron’ny fitadiavana
© Gasy ImpACT

Ny mety alehan’ny saina avy hatrany dia hoe : « Ahoana moa no hivoarana sy hivelarana amin’izao toe-draharaha politika, sy fahantrana ary ny tsy fandriampahalemana mianjady amin’ny firenena izao ? »  Fomba fijery iray koa anefa ny hoe : « Mety vokatry ny fomba fisainana sy ny fomba fifampitondrana eny anivon’ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina rehetra eny ny zavatra iainantsika hatrizay ka hatramin’zao ». Ary matetika miara-manaiky ny rehetra rehefa mandeha ny ady hevitra fa ny toe-tsaintsika mihitsy no mila ovaina vao hiova i Madagasikara. Fa firy amintsika anefa no manova fihetsika sy famindra mba hivoaran’izany toe-tsaina izany ? Misy lafiny tsara sy lafiny ratsy daholo ny zavatra rehetra ka misy toetra vitsivitsy ireto voalaza matetika fa toetratsika Malagasy:

 1° Be resaka fa tsy arahan’asa

Rehefa misy ny resaka matotra hifanaovana dia samy mahay miresaka sy tia maneho hevitra ny rehetra fa tsy hita loatra ny tena tohiny sy vokany avy eo. Tsy fantatra loatra ny lesona azo tsoahina. Tia sehoseho sa fitiavana te hiresaka diso tafahoatra? Be faniriana fa tsy misy fanatanterahana ve ? Mpitari-bato vilam-bava? « Aza ny ataoko no atao fa izay lazaiko tanteraho » ? Kabary zato, teny arivo fa ny asa mivaingana azo tsapain-tànana ihany no mitondra fivoarana.

 2° Tia fihavanana fa ory hava-manana

Soatoavina Malagasy tanteraka ny Fihavanana izay hita amin’ny endriny samihafa eo amin’ny fiainantsika andavanandro. Ny fitsinjovana ny hafa sy fanampiana ny hafa na Ankafaliana na Ankaratsiana. Fa satria ve ny fiaraha-monina misy antsika “collectiviste” fa tsy “individualiste” ka ny fivoaran’ny vondron’olona miaraka avy hatrany irery ihany no azo ekena? Hany ka “mankarary” antsika raha misy hafa “tafita sy tafavoaka” ka miavaka raha oharina amin’ny besinimaro? Fa tsy fahendrentsika Malagasy ve no miteny hoe: Omby indray mandry, tsy indray mifoha?

Lire la suite


%d blogueurs aiment cette page :