Archives de Catégorie: Lahatsoratra Malagasy

Feno Olona Mafy Be Eto Madagasikara

Gasy Impact

© Markgraf morgueFile
Ny Mahery Tsy Maody Tsy Ela Velona

Zava-misy hiaraha-mahalala, tsetsatsetsa tsy aritra ihany no zaraina amintsika androany. Ilay fahantrana lava sy fitiavana te hisongadina tampoka ve sa inona loatra re no manjo antsika fa mitombo andro aman’alina izao ny olona “mafy be” eto amin’ny tanàna. Betsaka amin’izy ireo no tsy fantatra ny momba azy. Tsy hay hoe tamin’ny fomba ahoana na tamin’ny fotoana nanao ahoana (na dia azoazo an-tsaina ihany aza) no nahatonga azy ireny ho mafy be tampoka tao fa dia aza sendra azy ihany aloha fa dia sahirana. Raha tsy angaha hoe olona mafy be ihany koa ny tena dia mifampitana eo. Tantara mety efa faheno na niantra taminao na tamin’olom-pantatra no ho tantaraina fohy eto.

Tsy fantratr’ialahy angaha ‘zaho…?

Tranga nahazo olom-pantatra iray no nampitsiry ny hevitra hitantara azy eto. Teny amin’ny faritry Tsimbazaza (Antananarivo) iny no niseho ny tantara.

Fanao eto amin’ny tanàna moa ity mifampisisika ity, mamoaka tanana kely mangata-dalana no sady mandroso ihany rehefa mitohana izay ny fifamoivozana. Ka dia nanaraka izany fomban-tany izany ity Ranamana ity ka nisisika nampandroso ny fiarany…Nidiran’andro anefa Ranamana satria sendran’ny olona tsy nahatsindry fo. Tezitra sy nisafoaka avy hatrany ary ilay mpamily ka nivoaka no sady nivazavaza tamin-dRanamana hoe: “Tsy fantatr’ialahy angaha ‘zaho…?”

Tonga dia vantanina ny resaka fa tsy fantatry Ranamana mihitsy ilay mpamily satria na ny fiara nentiny na ny fiakanjo sivily nanaovany na ny endriny dia tsy misy marika manambara hahafahana milaza hoe olona tokony ho fantatry ny Malagasy 22 Tapitrisa avy hatrany ity rangahy nivatravatra be ity.

Ilay Ranamana nisisika (nahatsiaro ho diso) moa dia tsy nahavaly firy fa sady taitra tampoka no haingana be taminy ny fandehan’ny raharaha – izy rahateo olona tia mandamindamina izay no tsy “mafy be”. Ny azo ambara dia nivonto fo anaty fotsiny Ranamana satria sady menatra nohon’ny tabataba no naratra anaty fa voatevateva eny imason’olona kanefa mba olon-dehibe ihany. Voan’ny tampoka tsy maha-lehilahy.

Nony nandeha ny resaka dia fantatra fa toa hoe mpamily sy mpanara-dia (escorte) olona manam-pahefana ambony eto amin’ny firenena hono ity zalahy tonga fofona be ity. Lire la suite

Publicités

Zanak’Antitra sa Zaza Mahiratra?

© MorgueFile "Ny ankizy afafy androany no olon-dehibe jinjaina rahampitso" Gasy Impact

© MorgueFile
« Ny ankizy afafy androany no olon-dehibe hojinjaina rahampitso » Gasy Impact

Azo tsorina angamba hoe ny toerana omena ny ankizy sy ny famolavolana azy ankehitriny no hamaritra ny endriky ny firenena iray afaka taona vitsivitsy. Ka tsy ny zaza androany ve moa no ho olon-dehibe rahampitso sy rahatrizay? Zaza nanao ahoana loatra ny lehibe ankehitriny no dia sahala amin’izao ny fiainam-pirenena misy antsika? Ary Malagasy manao ahoana no handova an’i Madagasikara rahampitso?

Lasa ihany ny saina indraindray rehefa manao fampitahana tsotsotra ny zaza Malagasy amin’ny zana-bazaha rehefa hanaovan’ny mpanao gazety “interview”. Raha hapetraka ohatra ny fanontaniana hoe: “Nanao inona ianareo androany tany am-pianarana?” dia tsy vitsy ny zaza Malagasy no hanao famaliana karazan’ny hoe: “Nianatra…” na hoe “Nilalao…”.

Raha rohitina ny fanontaniana hoe: “Dia nanao ahoana ny tany?” dia mety ho tsotra koa ny valiny hoe: “Nahafinaritra…”. Izay ihany dia mety ho vita ny kabary.

Fa ny zana-bazaha kosa amin’ny ankapobeny dia tsy mihafahafa mitantara sy manome antsipirian-kevitra ary mamboraka ny ao am-pony. Ny sasany aza milaza ny tsy anontaniana azy akory indraindray.

Fehiny: toa sahala amin’ny miolakolaka sy voafehifehy tsy misokatra tsara izany ny zaza Malagasy amin’ny ankapobeny.

Manana tontolo mendrika mampivela-tsaina ve ny zaza Malagasy?

Azo lazaina avy hatrany anefa fa tsy hoe akory mahiratra kokoa ny zana-bazaha raha oharina amin’ny zaza Malagasy fa ny fomba fanabeazana sy ny toerana omena azy ireo no tsy mitovy.

Ny an’ny vahiny, mbola kely ny ankizy dia ampianarina hiaro sy hijoro amin’ny maha-izy azy. Hamporisihana ny zaza handray andraikitra sy haneho ny heviny. Omena azy ny fahalalana ilainy mba ahafahany manana fahamatorana hiatrika ny tontolo manodidina azy.

Eto amintsika ny ankizy matotra mandray andraikitra sy maneho hevitra dia zanak’antitra no fiantso azy. Toa mampihomehy sy mampalahelo izany no andraisan’ny maro azy.

Lire la suite


Hafatra ho an’ny Miana-kendry…Tsara Sitrapo

© MorgueFile

© MorgueFile

Olana havia, olana havanana, olana daholo etsy sy eroa. Ankoatry ny olana misy eo amin’ny fiainan’ny tsirairay dia hiaraha-miaina sy hiaraha-mahalala ny andavanandrontsika Malagasy. Azo lazaina fa marikivy sy leo ny fahasahiranan-dava tsy misy farany ny rehetra. Samy manao izay ho afany sisa fa toa tsy hita intsony izay hiantsapazana.

Tsy fantatra be ihany ity fiainantsika Malagasy ity. Ny hitsikitsika hivavahana indray no mipaoka ny zanaka akoho. Ny mpitondra mifandimby isan’ambaratongany mitovy rà amin’ny tena toa mandiso fanantenana sy variana mamoky ny tenany ka miady an-trano. Ny fahefana ara-ekonomika dia eo an-tanan’ny vahiny, ary ny sasany amin’izy ireny ary tsy menatra akory na matahotra ny manjakazaka sy manimbazimba ny Malagasy eto amin’ny taniny. Misy amintsika samy Malagasy koa ary moa mifanambany sy mifanenjika am-pitoerana. Asa ahoana loatra ny ho tohin’ity fiainantsika ity fa dia fahantrana mitombo, miseho amin’ny endriny samihafa no hilomanosantsika isan’andro.

 Ny henjana amin’ity tantarantsika ity koa dia toa izay miezaka manao ny rariny, te hanova zavatra, mikatsaka ny fahamarinana na te hitondra fivoarana indray no voatsatso ho miana-kendry ka voaompa sy henjehana.

Betsaka ny efa voalaza sy nifampizarana teto amin’ny Gasy Impact izay. Ary mbola betsaka koa ny resaka mbola ho entina eto. Fa hafatra fohy fotsiny no tiana apetraka androany: Mila mitraka, mila mandini-tena sy mila mivondrona isika Malagasy. Betsaka ny zavatra manimba saina sy mety hamotika ny fikasana hanao ny mety. Marina koa fa samy manana ny manahirana sy manaintaina azy ny tsirairay fa na tiana na tsy tiana anefa dia ny fahatsapan-tena, ny fanovàna toe-tsaina, ny fahavononana, ary ny firaisan-kina avy amintsika Malagasy ihany no ahafahantsika miala amin’izao fahantrana lalina misy antsika izao. Koa mahereza, mitrakà, mivondronà hiketrika ny lalan-tsara hivoahana amin’ity lavaka misy antsika Malagasy ity.

Tsy maninona, aleo voafosa ho miana-kendry, henjehana fa “miseho milay”, hihomehezana fa manao azy ho mpanara-dalana. Iza ary no andrasana hitondra fivoarana? Iza no hanova ny rafitra misy antsika? Sa ve apetraka eo am-pelantanan’ny olona adala, tsy mataho-tody sy tsy mpanara-dalana ny ho avin’ny fiaraha-monina Malagasy? Mora resahana aloha izany rehetra izany fa tsy mandeha ho azy. Izany indrindra no antony  ilana ny maro hifandrombona sy hifandinika.

Ary izay ihany koa no ilana ny fifanohanana sy fifampaherezana eto. Na amin’ny kely na amin’ny be, na am-pahibemaso na ao amin’ny takona, afaka manova zavatra tsara ho an’ny fiaraha-monina ianao. Mahereza ary mankasitraka sahady amin’izay efa vita sy mbola ho atao.


Hambopom-pirenena: Olona Mahavita Azy Ve Ny Malagasy

© Morgue File Samy Mijinja Izay Afafiny ny Tsirairay

© Morgue File
Samy Mijinja Izay Afafiny ny Tsirairay

Aiza ny loharano hipoiran’ny hambopon’ny Malagasy? Inona no fototra ijoroan’ny rehareha maha-Malagasy? Ny lazan’ny hatsaran’ny Nosintsika ve? Ireo karazana zavaboary tsy misy afa-tsy eto Madagasikara ve? Ny kolotsaina sy ny Soatoavina maha-Malagasy ve?

Na firenena mahantra na manankarena, na firenena matanjaka na marefo, na firenena “misy hapoaka” na tsia dia azo lazaina fa samy mirehareha ny amin’ny maha-izy azy avy satria tsy misy olona na firenena afaka handa ny tenany.

Izany rahateo no maha-zava-dehibe ny fahaleovantena izay saro-pady loatra eo amin’ny firenena rehetra satria ny fananana an’izany no entina mampiseho fa mahavita tena ary afaka mivoatra sy mandroso amin’ny herin’ny tenany fa tsy miantehatra amin’ny hafa ny tsirairay.

Eo amin’ny fanehoana sy fanandratana an’izany hambopom-pirenena izany no tsy mampitovy ny rehetra. Ao ny maneho an’izany amin’ny fahombiazana ara-ekonomika, ao ny mampiseho an’izany amin’ny fahombiazana ara-panatanjahantena, ao ny maneho izany amin’ny tanjaky ny tafika misy eo aminy, ao ny mirehareha amin`ny fananana manam-pahaizana maro malaza eran-tany, ets.

Fahombiazana fa tsy kabary

Ny maha-izy ny tena dia tokony tsy mijanona ho vetsovetso-po fotsiny ihany fa tokony hita taratra amin’ny zava-bita izay mampiseho ny fahaiza-manao sy fahafahana mitondra fivoarana eo amin’ny firenena misy ny tena.

Ohatra:

Hambopo sy rehareha-pirenena no nahatonga an’i Qatar nanao izay tratry ny ainy mba hahazoany mikarakara ny “Coupe du Monde” amin’ny lalao baolina kitra, amin’ny taona 2022. Hanehoany fa firenena mahavita manomana lalao goavana sy mendrika ary firenena mahavita mitsinjo sahady ny hoaviny aorian’izay fotoana mety hahalany ny solika vokariny izy.

Hambopom-pirenena no mahatonga ny firenena Indianina nandefa ny sambon-danitra madinika “Mangalyaan” (Mars Orbiter) hamonjy ny planeta “Mars” mba hanehoany fa firenena mahavita azy sahala amin’ny firenena lehibe i Inde. Etazonia, Eoropa ary Rosia irery ihany no firenena nahavita an’izay hatreto ary reherahan’ny vahoaka Indianina indrindra izany satria mampiseho ny fahafehezany ny teknika avo-lenta tsy mila fanampian’ny firenen-kafa.

Hambopom-pirenena no mahatonga ny firenen-dehibe tsy manaiky ho lembenana ka mampiaka-peo sy mandon-databatra ary maneho hery raha mahatsiaro izy ireo fa voatohatohana ny tombotsoany sy ny fiandrianam-pireneny.

Betsaka ny kihana azo lazaina mikasika an’izany fanehoana hambopo-pirenena izany kanefa koa dia ilaina ny manamarika fa angovo sy antoka mitarika fandrosoana ho an’ny firenena koa izany.

Isika Malagasy kosa mba aiza?

Raha tsy hijery akory ny anjara-toerana misy an’i Madagasikara eo amin’ny fiainana iraisam-pirenena aza isika fa ny zavatra misy eto an-tanàna fotsiny ihany.

1. Ara-politika: Firy taona izao no fitiavan-tseza sy fitiavan-tena no nanimbantsika ny tontolo-politika misy antsika. Tsy vitan’ny tenantsika irery ny mandamina ny olana sy mitondra fampandrosoana eto amin’ny tanintsika. Mila miditra ny firenena vahiny vao mahita endrikendri-pivoarana i Madagasikara. Ny fampandehanan-draharaha ara-panjakana rahateo dia miankina tanteraka amin’ny vola fanampiana avy any ivelany.

2. Ara-ekonomika: Impiry isika no maheno ny mpandraharaha Malagasy izay mitarain-dava fa ny entana avy any ivelany sy ny mpandraharaha vahiny no manjaka eo amin’ny tsena Malagasy? Azo lazaina fa eo am-pelantanan’ny mpanambola vahiny tanteraka ny fiainana ara-ekonomikan’i Madagasikara.

Lire la suite


Fangoronan-karena: Ny Vola No Maha-Olona

© Inge Schepers  Dreamstime

© Inge Schepers Dreamstime

Raha fiteny ny hoe “ny vola no maha-rangahy” na “ny Fanahy no maha-olona”, ankehitriny kosa toa lasa ny vola mihitsy no handrefesana ny maha-olona. Lasa sahala amin’ny tany tsy misy Soatoavina sy tsy manam-panahy i Madagasikara. Toa lasa ny vola no fetra. Ny fari-pananana no hisehoana sy ijoroana ary hiavahana eo amin’ny fiaraha-monina. Ny fahalalana sy ny fahendrena ary ny fitondran-tena mendrika toa efa nilaozan’ny toetr’andro. Hany ka samy manao izay ho afany ny tsirairay mangorona harena amin’ny fomba rehetra – na tsara na ratsy – tsy tahotra tsy henatra intsony. Izay ve izany izao no fenitra eto amin’ny firenena?

Ny zavatra hita sy tsapa dia mahazo vahana tanteraka ny herin’ny vola eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika. Ny vola fitady, tsy misy maha-diso an’izany. Ary izay rahateo no anisan’ny hilofosan’ny rehetra isan’andro fa saingy rehefa ny vola kosa no lasa laharam-pahamehana ka misongona ny toeran’ny Soatoavina rehetra dia tsy mahagaga raha ny didin’ny be sandry sy  ny mpanao lalankita-kisoa no manjaka.

Tofoka sy leo ny fahantrana ary ny fahasahiranana ve isika Malagasy ka tsy mifidy fomba hivoahana amin’izany intsony?

Ny vola sy ny fisehosehoana ety ivelany ankehitriny no toa lasa hanehoan’ny olona ny maha-izy azy. Efa lasa sangisangy zaritena eny rehetra eny ny karazam-pitenenana sahala amin’ny hoe: “Hianatra dia ho aiza?”, “Hanao mpiasa birao dia hikarama firy mille?”, “Toa izay manao ny mety sy ny marina ihany no mihinana ny tsy fihinana!”, “Ka rehefa hifanaovana dia aleo samy manao e!”

Lire la suite


Malagasy Mivoatra : Iza No Sahy Hijoro Hiady Amin’ny Fahantrana ?

© Mconnors MorgueFile

© Mconnors MorgueFile

Filaza ny hoe: “Ampahantraina ny Malagasy fa tsy mahantra akory”. Ka iza ary no tena mampahantra an’i Madagasikara? Ny toe-tsain’ny mpanao politika no matetika firesaka, ny fomba ratsy fitantanana ny raharaha-pirenena, ny fanararaotana sy fangalarana ataon’olom-bitsy ny fananam-pirenena, ny fitiavantenan’ny tsirairay, ets. Fa manao ahoana kosa anefa ny toetsaintsika olon-tsotra?

Toa resaka politika ihany no mahaliana sy mamporisika antsika hihetsika hanao rodobe eny andalana ka hitaky fanovana. Mora koa ny mitsikera ny fitondrantena sy fomba fiasan’ny hafa fa mora ny manadino mijery akaiky mandini-tena. Mafana ery ny fon’ny tsirairay rehefa miresaka ny “aim-pirenena” sy ny fahoriana mianjady amin’ny Malagasy. Kanefa firy amintsika olon-tsotra koa no manana fihetsika sy toetsaina mambotry ny fiaraha-monina ka manampy trotraka ny fahantrana misy?

Ilaina ny tsikera ary tokony atao mandrakariva mba hisintonana lesona. Fa tsy tokony hijanona eo amin’ny mpitondra na resaka politika fotsiny ihany anefa izany fa amin’ny sehatra rehetra eny amin’ny firaha-monina rehetra eny koa. Mila mandray andraikitra tandrify azy ny tsirairay.

Betsaka ny tranga-javatra sy zava-miseho isan’andro: eo anivon’ny fianakaviana, eny an-dalana, any ampiasana, eny ambony “Taxi-be”, eny amin’ny sampandraharaha isan-karazany sy fokontany rehetra eny. Betsaka  ny toe-javatra mibiloka izay ilana fifanabeazana sy fifampitenenana fa saingy efa lasa mahazatra ny mahita sy miaina ao anatin’izy ireny .

Manaiky matoa tsy miteny

Maro amintsika no latsaka amin’ireny fombafomba sy fahazaran-dratsy mila ovaina ireny. Misy koa anefa ny miezaka ny tsy hanao azy ireny kanefa kosa mangina manoloana ny zavatra tsy rariny satria matahotra ny vavan’olona na manaraka fotsiny ny fomban-tany.

Santionany amin’ny tranga-javatra fahita ireto zavatra manaraka ireto:

Lire la suite


Mandehandeha Mahita Raha…(Allemagne)

© Pakhnyushchyy

Niresaka ny maha-zava-dehibe loatra ny fahazaina fiteny vahiny hafa ankoatry ny fiteny Frantsay isika tamin’ny farany. Ny fiteny Frantsay izay fantatra fa na dia anisan’ny fiteny ofisialy fampiasa eto Madagasikara aza dia tsy voafehin’ny Malagasy rehetra. Ny tarehimarika (2010) nomen’ny “Organisation Internationale de la Francophonie” (O.I.F) dia milaza fa 5% ny Malagasy fotsiny no azo ambara fa tena mahafehy azy tanteraka, ary 15% kosa no tahan’ny olona afaka mampiasa azy amin’ny ampahany. Varavarana iray lehibe hahafahana mivoatra sy mivelatra ara-tsaina kanefa ny fahaizana fiteny vahiny ka tsy tokony hionona amin’ny lalana tokana ny Malagasy fa kosa hitrandraka fiteny vahiny hafa koa izay azo antoka fa hanokatra tontolo hafa ho an’ny tsirairay. Valandresaka nifanaovana tamin’i Tahiry R., mpianatra Malagasy iray izay manohy ny fianarany any Allemagne no tanterina amintsika eto.

 « Andrianiko ny teniko ary ny an’ny hafa koa feheziko”

GasyImpACT (G.I) : Manao ahoana i Tahiry, azonao zaraina fohy aminay ve ny antony nisafidiananao an’i Allemagne ho firenena handratoana fianarana ?

Tahiry: Manao ahoana. Efa ela aho no naniry ny hivoaka an’i Madagasikara mba hijery ny zava-misy amin’ny firenena mandroso sy hianatra zava-baovao izay mety hoe tsy fahita eto amintsika. Dia nisy firenena vitsivitsy nandalo tato an-tsaiko fa…ohatrany nahasintona ahy ny firenena sahala amin’i Allemagne izay firenena anisan’ny malaza amin’ny resaka teknolojia sy matanjaka ara-toekarena kanefa tsy dia fantatsika Malagasy loatra no…tsy mahavantana ny ankizy koa raha oharina amin’ny firenena sahala amin’i France na Canada ohatra. Ny marina koa dia mahaliana ahy ilay kolotsaina “nordique” izay malaza amin’ny resaka “discipline” sy fiarovana ny tontolo iainana. Dia Allemagne no firenena nahasarika ahy rehefa avy nanao fanadihadiana madinidinika aho.

G.I: Raha tsy hiresaka ny fandrosoana ara-materialy isika, inona no zavatra mety hoe nahafinaritra na nanamarika na koa mety hoe nandratra anao manokana nandritra ny fianaranao?

Tahiry: Betsaka ny zavatra azo tantaraina fa…ny tonga ato an-tsaiko voalohany angamba dia ny elanelana zara raha misy eo amin’ny mampianatra sy ny mpianatra. Ohatrany nahatsapa aho hoe…akaiky kokoa amin’ny mpianatra ny mpanabe any. Tena mipetraka tsara ny fifanajana eo amin’ny roa tonta kanefa tsapa koa hoe miezaka ny mpampianatra hanome fahafaham-po ny mpianatra mba hizotra araka ny tokony ho izy ny fampianarana. Ohatra hoe…manome ny laharan’ny telefonina sy adiresy mailaka ry zareo hifandraisana ary manome toky – amin’ny ankapobeny – fa hamaly ny fanontanianao ao anatin’ny 24 ora. Misy koa fotoana isan-kerinandro – ankoatry ny fampianarana andavanandro – voatokana hahafahan’ny mpianatra manatona an-dry zareo any amin’ny biraony raha mila mihaona.

Ny zava-baovao tamiko dia isaky ny faran’ny “Semestre” (mizara enim-bolana ny taom-pianarana any) dia mahazo alalana ny mpianatra hitsara ny fomba fampianarana sy manome “Note” ny mpampianatra tsirairay. Ary tena raisin’ny Oniversite tsara ny tatitra. Efa nahita mpampianatra aho ohatra tsy afaka nampianatra intsony tao aminay satria nahazo “salan’isa ratsy” avy amin’ny mpianatra.

Ny nahavarina sy nampitsiky ahy koa dia ny mahita ny mpianatra mifampijery sy mikentrona raha vao tara kely fotsiny ny mpampianatra. Misy fotoana resaka 2 minitra aza dia efa taitra ny ankizy hoe fa misy inona? Ary ny mpampianatra rehefa tonga avy any ka sanatria tara dia tena miala tsiny be noho izay fahatarana izay fa tsy mody fanina na hoe mametraka ny tenany ho tsy azo tenenina.

Ny zavatra hafa nahagaga ahy koa tamin’ny voalohany dia ny mahita ny ankizy misakafo sy misotro rano (Jus, Coke, etc) mandritra ny “cours”. Mitohy tsara anefa ny fampianarana ary ny mpampianatra koa toa tsy voahelingelina amin’ny zavatra sahala amin’izany. Tsy haiko hoe izay ve ilay hoe manao izay “mahapety azy tsara” ny rehetra rehefa mianatra fa dia mahavariana ahy izay satria tsy nahazatra taty Madagasikara.

G.I: Manao ahoana ny toerana misy ny fiteny Alemanina amin’ny ankapobeny. Sarotra sa mora ny miteny azy? Ary ampy hivelarana eo an-toerana ve sa mila manampy fiteny vahiny hafa?

Tahiry: Ny fahitako azy manokana aloha dia ohatran’ny fiteny rehetra ihany ny Alemanina, izany hoe rehefa tena ianarana sy mahaliana ilay fiteny dia mandeha tsimoramora eo ihany ny fifehezana azy miaraka amin’ny fotoana sy ny fahasahiana mampiasa azy. Fa betsaka aloha ny olona no milaza hoe anisan’ny fiteny sarotra fehezina izy.

Izaho koa mahita hoe…satria “Allemagne” firenena matanjaka ary voalohany ara-toekarena any Eoropa dia fiteny tsy azo idifirana ny Alemanina ho an’ny olona maniry hifampiraharaha amin-dry zareo. Mazava ho azy fa mibahana be ao an-toerana ilay fiteny satria ny zavatra rehetra dia voazava sy voasoratra amin’ny teny Alemanina avokoa ary indraindray na teknolojia avo lenta aza dia tsy misy dikanteny fa dia amin’ny fiteny Alemanina irery ihany.

Fa ny zavatra tsikaritro fotsiny dia manana anjara toerana lehibe ny fiteny Anglisy satria io no fiteny vahiny voalohany hahafahan-dry zareo mifandray eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ka matetika ny olona manana na maniry hihazona andraikitra ambony eo amin’ny orinasa iraisam-pirenena iray dia miteny Anglisy. Betsaka rahateo ny tolotr’asa (asa birao amin’ny sehatra tsy miankina) izay mitaky fa tsy maintsy mahafehy fiteny Anglisy ny olona iray ankoatra ny fiteny Alemanina.

Hany ka tsy vitsy ny ankizy mpianatra eny amin’ny Oniversite no mahay fiteny telo farafahakeliny. Ry zareo avy any Eoropa Atsinanana no hitako hoe anisan’ny sangany amin’izay resaka izay. Misy mpianatra mahafehy fiteny karazany dimy. Ohatra misy ankizy avy any “Ukraine” izay efa miteny ny fitenim-pireneny, dia ambonin’izay mahay miteny “Russe” (izay fampiasan-dry zareo any amin’ny taniny ihany koa), dia miampy ny fiteny Alemanina (izay ampiasaina any am-pianarana sy fiainana an-davanandro) dia manampy azy ny fiteny Anglisy (ampiasaina any am-pianarana sy toeram-piasana). Dia matetika ireo karazana fiteny ireo mbola miampy fiteny hafa iray arakaraky ny tanjon’ny tsirairay. Misy ohatra ankizy maniry ny hiasa any Amerika Atsimo dia mianatra “Espagnol” izy ary misy kosa ankizy hafa te hiasa amin’ny orinasa Alemanina any “Chine” dia mianatra fiteny Sinoa izy.

Lire la suite


%d blogueurs aiment cette page :