Harena An-kibon’ny Tany Mitarika Ady: Fiatombohana ihany

© Pixabay "Tsy mety raha sady ho lany harena no ho very hitsiny"

© Pixabay
« Tsy mety raha sady ho lany Harena no ho very Hitsiny »

Tsy hoe hanao mpaminany sandoka akory na haniry loza ho an’ny firenena fa ny hamisavisana ny ratsy hono hiavin’ny soa.

Ny sakoroka manoloana ny fitrandrahana volamena teny Soamahamanina nataon’ny Sinoa no naresaka tatoato. Santionany sy ampahany ihany io. Raha ny harena manintona ny firenena vahiny eto Madagasikara dia betsaka. Ary izay rahateo no nahatonga ny fanjanahan-tany. Ao ny efa fantatra sy voafaritra mazava ny fisiany, ao koa ny faritra izay vita vinavina ny harena misy ao aminy. Firy amin’ny Malagasy anefa no mahafantatra ny fisian’izy ireny ? Iarahana manaiky safo be mantsina fotsiny ihany fa manankarena i Madagasikara fa vitsy amin’ny Malagasy no mahalala ny faritra efa notrandrahana na efa nahofa, na hotrandrahana atoato. Ny fikambanana «Les Amis de la Terre» dia namoaka Tatitra (2012) mikasika ny tetik’asa sasany misy eto Madagasikara izay tsara fantatra tokoa (Tsindrio eto).

Mazava ho azy fa raha ny toe-draharaha iraisam-pirenena amin’izao fotoana no jerena dia betsaka ny firenena matanjaka na mpanam-bola tsy miankina amin’ny fanjakana no te ho avy eto Madagasikara mba haka ny anjarany. Raha tsy mitandrina ny Malagasy na tsy mahay mitantana dia fahapotehan’ny tontolo iainana, fahasimban’ny fahasalamam-bahoaka, fihitaran’ny tsy fahandriham-pahalemana, korontana sosialy, ary mety hiafara amin’ny ady an-trano no misy eto amintsika noho ny hazakazaka amin’ity resaka fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ity.

Harena an-kibon’ny tany : fahasoavana sa loza mihantona ?

Raha i Chine manokana no resahana dia iaraha-mahalala fa firenena te hamerina sy hametraka ny maha-izy azy tanteraka eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izy. Noho ny ezaka ara-ekonomika nataony nandritra ny taona maro dia i Chine amin’izao (2016) no firenena voalohany amin’ny tanjaka ara-ekonomika (16,5%) maneran-tany – eo anoloan’i Etazonia (16,3%). Faharoa kosa izy amin’ny tanjaka ara-politika sy ara-miaramila.

Vokatra mivantana ateraky izay : miha-manankarena ny vahoaka Sinoa, mitombo ny isan’ny mpanefoefo any Chine, miakatra ny fahefa-mividin’ny olona, mitombo ny filàna karazana Akora, mitaky fari-piainana sy fomba fiaina mifanaraka amin’ny tanjany ny firenena Sinoa.

Ary sahala amin’ny firenena matanjaka rehetra mahazatra dia mitady ny fomba rehetra ry zareo Sinoa hihazonany an’izany toerana izany mba ahafahany manome fahafaham-po ny Indostria (solika, volamena, vatosoa, ets.) sy ny filàn’ny mponina ao aminy (sakafo, vokatra tsy fahita, ets.).

Mana-porofo izany ny haben’ny famatsiana ara-bola sy politika ara-barotra ataon’i Sinoa aty Afrika sy Madagasikara.

Mazava ho azy fa tsy mijery fotsiny na hamela malalaka ny Sinoa hanao izay tiany atao ny firenena matanjaka hafa mpifaninana aminy : ny firenena tompon’ny hery hatramin’izay (Etazonia, Angletera, Frantsa, ets.), ireo firenena iray firehana amin’ny Chine ao amin’ny BRICS (Brazil-Russia-India-China-South Africa), ireo firenena hafa manam-paniriana hanana anjara toerana ihany koa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena (Turquie, Japon, Korea Atsimo, Thailande, ets.).

Hifandrotehana ny fitadiavana Akora vaovao ka izay indrindra no hamotika tanteraka ny fiainan’ny firenena marefo – hanjakan’ny tsolitra – sahala amin’i Madagasikara raha tsy mitandrina.

Tsy voatery hiady mivantana izy ireo fa kosa miafina ao ambadika karazana hetsika, fikambanana, vondron’olona na hery isankarazany. Raha ny aty amin’ny faritra Afrika dia betsaka ny ohatra korontana sy ady naterak’izany toe-javatra izany. Ny ady mifono resaka solika tatsy Biafra (Nigeria) ohatra dia ady azo hisintonana lesona ankehitriny ho an’ny firenena sahala amin’i Madagasikara. Ny vanim-potoana sy ny toerana no miova fa ny tanjona ambadika sy fomba fiady sahala ihany.

Iaraha-mahafantatra fa tsy mahatohitra ny tsindry (ara-politika sy ara-bola) avy amin’ny firenena vahiny ny firenena Malagasy.

Ny vola no ambonin’ny zavatra rehetra

Etsy an-daniny ny fanjakana Malagasy dia rotiky ny adi-lahy politika sy ny « Bizna » isan-karazany. Ny tompon’andraikitra isa-tsokajiny dia lany andro miazona mafy ny sezany amin’ny fomba rehetra, miketrika lava ny hampitombo ny fananany manokana ka vonona ny hifampiraharaha amin’izay mpanam-bola tonga rehetra. Na ny olona eo amin’ny fitondrana na ireo izay milaza ho mpanohatra ny fitondrana dia samy azo lazaina fa tsy misy azo ianteherana na hatokisana satria kapoka iray ihany amin’ny toe-tsaina sy fitondran-tena. Samy te haka ny anjarany ihany koa sahala amin’ny vahiny.

Etsy ankilany ny vahoaka entina efa tena vizana amin’ny fitadiavana sy leo ny rebirebin’ny mpanao politika ka zary lasa mpitazana fotsiny ihany sisa ny amin’ny fandehan’ny raharaham-pirenena. Manginy fotsiny ny kolikoly sy ny akamakama izay manimba tanteraka ny fifampitokisana eo amin’ny fiaraha-monina.

Ny mpanao lalàna sy mpitandro filaminana izay heverina fa tandroka aron’ny vozona koa toa lasa manoto rehefa hidiran’ny resa-bola sy politika maloto. Mbola misy ve ny « Etika » na Soatoavina ijoroana eto Madagasikara ? Toa efa lasa resabe sisa ity resaka fitiavan-tanindrazana ity amin’izao fa dia samy mameno ny kibony izao no politika misy eto.

Izany toe-javatra rehetra izany dia manamora ny fanakorontanana ny fiainan’ny Malagasy. Tsipazana vola vahiny, na 4×4, na fanomezana amin’ny endriny isankarazany na tombontsoa manokana ny manana andraikitra dia vonona hanao ny tsy fanao. Ary rehefa mifandrirotra ireo « mpifaninana » amin’ny fakàna harena eto Madagasikara ireo dia tonga miaraka amin’izay ny korontana.

Araraotin’ny olona ny fahalementsika : mahantra sy marefo ny firenena. Vola no miteny dia mangina daholo ny rariny sy ny hitsiny. Manjaka ny tsy fifampitokisana. Goragora ny fanarahan-dalàna. Mibaiko ny fiainam-pirenena ny tsolitra sy akamakama. Mbola nohamarinin’ny tatitra nataon’ny fikambanana « Ibrahim Mo » indray io tamin’ity taona 2016 ity. Mitovy amin’ny tany misy ady ny toe-karentsika.

Izany toe-draharaha rehetra izany dia maneho fa tany mora korontanina i Madagasikara. Raha misy ny mpanam-bola manam-pikasan-dratsy hampiteraka ady an-trano mba hahazoana ny harena misy eto dia azo heverina fa mety hahatratra ny tanjony izy.

F’angaha ny harena an-kibon’ny tany ihany, fa na ny biby sarobidy, na ny zava-maniry tsy fahita afa-tsy eto amintiska, na ny sakafo (vary, omby, ets.) eny fa na dia ny olona aza dia tsy misy afa-bela intsony fa dia lasa fanondrana tsy am-piheverana daholo. Tantely afa-drakotra ny firenena.

Mila fangaraharana sy fanabeazana

Tsy azo avela ho bodoin’ny mpanao politika irery ny sehatra fampandrosoana sy famahana olana eto Madagasikara. Manana adidy amin’izany daholo ny olom-pirenena tsirairay. Izay tsy mahay sobiky mahay fatram-bary. Mibahana loatra ny kobaka am-bava eto amintsika. Mila mifanabe isika. Mila asa mivangana sy vokatra hita maso. Izao vanim-potoana iainan’i Madagasikara izao dia ilàna fandinihana, fitandremana sy fandraisana andraikitra.

Fandinihana : Ilaina ny ady hevitra, ny  fanehon-kevitra sy fifanakalozan-kevitra malalaka mba hisin’ny fangaraharana. Rehefa mazava ny sain’ny olona fa tsy hanimba ny fahasalamany, tsy hanimba ny tontolo iainany, tsy manabotry ary mitondra tombotsoa ara-ekonomika mivantana ho azy ny tetik’asa iray dia miova ny fijeriny. Be loatra ny tsy fahamatorana, ny zavatra tsy mazava amin’ny fitantanana ny harem-pirenena ka tsy mifampatoky intsony ny Malagasy. Ilaina ny fanehon-kevitra sy tatitra avy amin’ny matihanina isan-tsokajiny ahafantarana marina ny zava-misy.

Fitandremana : Simban’ny kolikoly sy ny ady seza ny sehatra rehetra eto Madagasikara. Lasa « Politika Bizna » no manjaka eto amintsika. Ny vola sisa no miteny fa tsy Soatoavina na fandresehan-dahatra hanao ny hitsiny. Mila mailo mandrakariva hoe tombotsoan’iza marina tokoa moa no harovana sy tohanana ao anatina tetik’asa na hetsika iray.

Tsara marihina koa fa ny fanaovana fitrandrahana anie tsy midika foana hoe hitondra soa ho an’ny firenena iray. Ankoatry ny ady mety aterany dia misy koa ny loza ho an’ny tontolo iainana na fahasalamana mety mitranga raha tsy mitandrina. Jereo fotsiny ny loza any Alberta (Canada) ny amin’ny fahasimbana tanteraka ataon’ny fasimainty izay trandrahana eto amintsika ihany koa.

Fandraisana andraikitra : Very fanahy mbola velona ihany ny Malagasy amin’izao vanim-potoana iainantsika izao. Ny olona antenain-kanirina toa vao mainka mampivandravandra. Tsy hita intsony izay hianteherana. Tsapa hoe mila olona vaovao i Madagasikara amin’ny sehatra rehetra : manam-pahaizana, manana fahasahiana, manana toe-tsaina mendrika. Mila olona tsy voaloton’ny politika maloto na fitiavan-tena diso tafahoatra. Mila olona afaka hanazava ny sainy, olona afaka hianteherana sy atokisana, karazana olona samihafa manana traikefa avy amin’ny sehatra maro isankarazany hanova ny fomba fanao eto amin’ny tanàna. Na am-pahibemaso na ao amin’ny takona, ento ny anjara birikinao hanova zavatra.

Mifampiankina ny sehatra rehetra eo amin’ny firenena anankiray. Ahoana moa no ahafahan’i Madagasikara mifehy ny harena an-kibon’ny tany eo aminy raha tsy manana olom-pirenena manam-pahaizana mahafehy an’izany izy ? Firy ary afaka miady hevitra ara-teknika amin’ny vahiny ny fitantanana ny tetik’asa eto amin’ny firenena ve izy ireo ? Mahafantatra ny vokatra mivoaka marina avy amin’ireny toeram-pitrandrahana ireny ve ny Fanjakana ? Hiaraha-mahalala fa ny tsara indrindra dia tsy mpanondrana Akora fotsiny ihany ny firenena iray fa afaka manodina azy ireny eto an-toerana avy hatrany. Manana an’izany Vina izany ve i Madagasikara ?

Ahoana moa no ahafahan’i Madagasikara mifehy ny harena an-kibon’ny tany raha baranahina ny fidirana sy fivoahan’ny fitaovana ary entana eto Madagasikara ? Hiaraha-mahalala ny fisian’ny trafika sy famoahana vokatra an-tsokosoko etsy Ivato. Dia asa fotsiny ny zava-misy any amin’ny tany lavitra andriana any. Hiaraha-mahalala fa tsy voafehin’i Madagasikara ny sisin-dranomasiny. Manginy fotsiny ny fitakiana tapi-maso isan’ambaratongany.

Faly ny olona fa niala teny Soamahamanina ny Sinoa. Ny tena marina anefa tsy nody any Chine akory ny fitaovana fa nikisaka fotsiny ihany : miandry ny fandaminana manaraka…

Mila fitoniana ara-tsosialy ihany koa ny Fanjakana amin’izao – indrindra manoloana ny fandraisan’i Madagasikara ny fihaonam-be iraisam-pirenena (COMESA, Francophonie). Mila manatsara endrika kely ny fiainam-pirenena amin’izay mety ho fitsaran’ny any ivelany.

Mangina ny eny Soamahamanina fa ny fitrandrahana eto Madagasikara tsy maintsy hitohy satria tsy afaka hipetraka fotsiny amin’izao ny mpanam-bola (Vahiny na Malagasy) satria samy te haka ny anjarany.

Raha fehezina dia iaraha-mahalala fa gaboraraka sy baranahina ny fitantanana ny harem-pirenena eto amintsika. Ny fitrandrahana tsy mangaraharaha. Tsy mazava ny tsipi-dalao. Tsy azo antoka ny fahamatorana sy fahamarinan’ny tompon’andraikitra. Ny seranana sy ny sisin-tany arato gorobaka. Kely ny vola miditra amin’ny kitapo-bolam-panjakana kanefa ny kely miditra ao aza mbola hahodin’ny hafa. Ny mankarary ny andohan’ny olona dia ny taniny potika sy voaviravira kanefa ny harena mivoaka ao mamoky ny kibon’ny mpanararaotra. Manelingelina ny mpampiasa vola sy manam-pahefana ny vahoaka mijoro manohitra ny sitrapony. Kanefa dradradradraina lava ny fitiavan-tanindrazana sy ny mpiara-belona.

Miantso antsika handini-tena hanova famindra, handray andraikitra, hametraka ny mangarahara ary handray fanampahan-kevitra hentitra ny zava-misy eny Soamahamanina. Zava-doza no mitranga eto amin’ny firenena rehefa vola sy politika maloto no manjaka.

Tsara ho fantatra: 

1. Le Monde diplomatique : Sur fond d’indignation et de pétrole, tout a commencé au Biafra

2. L‘Express de Madagascar : Gouvernance et corruption – Madagascar s’écroule dans l’indice Mo Ibrahim

3. Notre-planète.Info : La pollution issue des sables bitumineux au Canada est bien pire qu’annoncée

Publicités

À propos de Gasy ImpACT

Soyez le chan­ge­ment que vous vou­lez voir dans le monde - Gandhi Voir tous les articles par Gasy ImpACT

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :