Hopitaly eto Madagasikara: Mitsabo sa Mamono Olona

© Morguefile Ny voin-kava mahatratra

© Morguefile
Ny voin-kava-mahatratra

Misy fotoana hanginana ary misy fotoana kosa hitenenana. Nahitana sy nahenona olona betsaka nitaraina sy nizara ny alahelony tatoato mikasika ny fahafatesan’ny havany eny anivon’ireny Hopitaly ireny nohon’ny tsy fitandremana sy fanaovana tsinotsinona ny marary izay ataon’ny tompon’andraikitra sasany. Aoka tsy ho atao ririnin-dasa tsy tsaroana ireny toe-javatra nahazo ny hafa ireny satria mety hahavoa ny tena ihany koa na ny havana akaiky. No sady ny voin-kava-mahatratra rahateo.

Misy fotoana sy fetrany ny zavatra rehetra ary ilana ny fahatsapan-tena sy fandraisan’anjaran’ny tsirairay ny fanatsarana ny zava-misy eto an-tanana raha tsy izany dia ho faty eto daholo isika mianakavy. Ka izay tsy maty ankolaka nohon’ny fiainana sarotra dia ho faty mivantana eny amin’ny hopitaly eny.

Tsy fitandremana sy fanaovana kitoatoa

Rehefa atao ny fandinihana ka miresaka amin’ny manodidina na mahita ny fanehon-kevitra amin’ny tambajotra sosialy toa ny Facebook dia toa sahala amin’ny manana tantara ratsy ambara mikasika ny Hopitaly daholo ny tsirairay.

Ny tena mampalahelo dia ankoatry izay takaitra mety ho entina mandra-maty dia ao ny mitantara ny fahafatesana niantra tamina vady, zanaka, iray tam-po, ray aman-dreny na namana. Mazava ho azy fa ny fahafatesana nohon’ny kitoatoa sy ny tsy fitandremana no mampitroatra ny olona. Vahaolana no hantenaina eny amin’ny Hopitaly kanjo dia loza amin’atambo no mahazo ny fianakaviana.

Isika Malagasy rahateo koa moa somary miafiafy sy mandefindefitra izay na dia manana ny rariny aza. Ny fiainam-pirenena koa etsy an-daniny tsy mandeha amin’izay laoniny loatra fa variana mangoron-karena ny rehetra ka dia tena voahosihosy tanteraka ny maha-olona ary betsaka no manararaotra ny fahalemena misy eo amin’ny tsirairay.

Ilaina mihitsy ny fanaraha-maso ny fitondran-tenan’ny mpiasa eny amin’ireny toeram-pitsaboana ireny satria ain’olona sy fiainan’olona no potika ao anatin’ny indray mipi-maso nohon’ny tsy fitandremana.

Tsy misy moa ny antontan’isa ofisialy sy fanadihadihana matotra hoe iza no Hopitaly tompon-daka amin’ny kitoatoa eto Madagasikara fa raha ny fifanakalozan-kevitra hita teo amin’ny Facebook aloha no jerena dia ny Hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona (HJRA) no lohalaharana voatonona matetika amin’izany tsy fitandremana izany. Manaraka azy avy hatrany ny Hopitaly Befelatanana ary aorian’izay ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana (Girard et Robic). Raha ny eto amin’ny renivohitra aza moa no sahala amin’izany dia asa fotsiny angamba any hafa rehetra any.

Tsara ny manamarika sy manindry fa tsy midika akory izany hoe ny HJRA no tena loza indrindra eto amintsika fa kosa ny ankamaron’ny olona teo amin’ny Facebook nitatitra ny nanjo azy dia olona nanana tantara ratsy avy eny amin’ny HJRA no betsaka.

Tsy vitsy angamba ny dokotera no manana Facebook na ny havan’izy ireo mahita an’ireny karazana tantara mampalahelo tanterin’ny olona ireny fa dia tena miorin-koditra sy mihorohoro fotsiny ny tena mamaky ny zavatra nahazo karazan’olona: fanafody diso, fandikana valim-pitiliana tsy mitombona, sendra mpiana-draharaha (interne) tsy mbola mahafehy tsara ny asany kanefa mitsabo irery …

Fa dia inona loatra re no antony: varimbariana sa tsy firaharahana tsotra izao ve sa tsy fahaizana mihitsy (diploma azo tsy ara-drariny)…?

Etsy an-daniny izay tsy lazaina intsony ny avonavona, ny kitakita, ny valy boraingina raha mila fanazavana, ny tsy fahaizana mandray an-tanana ny marary sy ny tompon-kavana, ny fanararaotana kely isan-karazany (oh: fanafody naloa vola kanefa tsy ampiasaina na tazonina any ambadika any, kolikoly amin’ny endriny samihafa, ets.)

Ho eken’ny sainao ve raha ny rainao, ny reninao, ny iray tampo aminao, ny havanao na ny namanao akaiky no hiaran’izany?

Raha manam-bola anie ny olona dia mety ho namomjy toeram-pitsaboana tsy miankina na miondrana any ivelany fa saingy indrisy…mizaka ny tsy eran’ny aina.

Marina fa misy ihany koa ny tsy fahatanterahana sy tsy fitandremana eran-tany – eny fa na dia any amin’ny firenena lazaina fa mandroso aza – fa saingy kosa tsy vita mora izany no mandray fepetra hentitra ny olona. Ny antsika kosa manao ahoana?

Hitory sa tsy hitory?

Ny mampalahelo koa dia betsaka ny olona no tsy sahy mitroatra na mitory eny anivon’ny fitsarana eny satria tsy hita be ihany izay atao. Ilana vola sy fotoana ny fanomanana taratasy sy fitakiana ny marina. Ny tena anefa efa sahirana sy mila miatrika karazan’olana hafa koa: feno ny kapoaka e!

Azo atao tsara anefa ny mitory. Fa na vonona koa aza moa ny tena ho eny amin’ny tribonaly dia tsy misy ny antoka hoe hody ho ventiny ny rano natsakaina satria hiaraha-mahalala ihany koa ny fitsarana eto amintsika fa manalasala be izay ihany.

Hany herin’ny olona sisa matetika dia mampionon-tena hoe izay angamba no lahatra sy anjara ka dia manohy ny fiainana arak’izay azo atao. Ao koa no resy lahatra fa an’Andriamanitra ny famaliana ka vita hatreo ny anjaran’ny velona.

Marina fa samy hijinja ny nafafiny isika mianakavy amin’ny fotoana voatondro kanefa kosa iza na vadin’iza sa zanak’iza no andrasana ho faty vao ho taitra sy hanova famindra ny Hopitaly?

Ny fanjakana angamba efa tsy ampy fitaovana sy variana amin’ny resaka adilahy politika ka tsy manam-potoana intsony hanatsarana ny tontolon’ny fitsaboana eto Madagasikara ka tokony isika izay mety hiaran’ny tsy rariny mihitsy avy hatrany angamba no mila mitady hevitra hisorohana ny kitoatoa sy tsy fitandremana eny amin’ny Hopitaly eny. Ohatra:

  1. Firesahana sy fanairana ny sain’ny mpitsabo sy tompon’andraikitra eny amin’ny toeram-pitsaboana rehetra eny – amin’ny fomba rehetra – mba hanana fahamatorana feno amin’ny fanaovana ny asany satria tena miantra aman’aina ara-bakiteny ny zava-misy.
  1. Fiaraha-mientana amin’ny fanaraha-maso ny fitondran-tena sy ny zavatra tsy manjary rehetra eny amin’ny Hopitaly eny (oh: manangana “groupe Facebook” mifampizara ny zava-misy, fampitana ihany koa ny toe-draharaha amin’ny haino aman-jery isan-karazany, ets.) Mila habaribary ny marina fa tsy atao ho takona afenina.
  1. Fifampizarana train-kefa: ohatra ho an’izay manam-pahalalana sy havanana amin’ny resaka lalana dia ilain’ny olona ny mahafantatra ny dingana tokony atao raha toa ka manam-pikasana hitory ny fianakaviana mana-manjo.

Misy soso-kevitra hafa hitanao ve?

Ka dia antso avo feno fiangaviana no atao aminareo mpitsabo sy tompon’andraikitra mahefa amin’ity resaka fitsaboana ity: tsy ny vatolampy no manafitohana fa ny vato kely hoy ny fitenenana. Ny tsy fitandremana na kitoatoa kely avy aminareo dia maha-kamboty sy mampitondra faisana ny olona hafa rehetra. Iraha-mahalala ny fahantrana misy eto amintsika kanefa kosa tsy mahasakana anareo tsy ho matihanina sy matotra izany amin’ny fahaizana mandray sy mikarakara ny marary araka ny tokony ho izy. Ny aina tsy hananam-piry ka dia ianareo hantenain-kanirina indray ve no hampivandravandra?

Hoy isika Malagasy hoe: “Izay marary no andriana.” Ka dia ho tanteraka tokoa anie izany…

Publicités

À propos de Gasy ImpACT

Soyez le chan­ge­ment que vous vou­lez voir dans le monde - Gandhi Voir tous les articles par Gasy ImpACT

47 responses to “Hopitaly eto Madagasikara: Mitsabo sa Mamono Olona

  • Andria SF

    Miarahaba anareo tompoko. Izaho dia dokotera, saingy tsy miasa amin’ireny hopitalim-panjakana ireny. Betsaka ny zava-marina amin’ny fitarainan’ny olona, ary tsy hoe diso koa akory ny fijerin’ireo mpitsabo namana. Ny tena olana dia ny tsy fisian’ny mpanara-maso azo antoka hihaino sy hanamarina ny tsirambina ataon’ny mpiasan’ny fahasalamana. Ny voalohany aloha dia tsy zatra loatra anazavana ny zava-misy ny marary malagasy. nefa io lafin-javatra iray io dia fahadisoan’ny mpitsabo tanteraka satria ny mpitsabo no tsy mba manazava mihitsy ny antony sy ny zavatra andrasana amin’izay ampanaovina ny marary. Ny olona mahatsapa fa voakarakara dia matetika ireo izay olona tsara fifandraisana amin’ilay mpitsabo ary mahazo fampanantenana fotsiny hoe ho karakaraina ianao. Tsy ampy intsony izany ankehitriny, fa tokony ho milamina ny fandraisana ny marary ary tokony hampahafantarina azy ireo ny antony hanaovana ny fitiliana sy ny dikan’ny valiny avy eo, na dia tsy ho amin’ny antsipirihany aza.

    Ho an’ilay mpitsabo vao nivoaka dia inty misy tantara marina iray nihatra tamin’ny havako. Narary tao amin’ny service iray teo Befelatanana izy satria diabetika. Dia nolazain’ny mpitsabo fa hoe efa tsy mi -pipy intsony. Efa tsy nahatsiaro tena intsony koa. Nosokafana anefa ny lamba firakofany dia indro ilay « sonde urinaire » fa tsentsin’ny nana be, ary tonga hatreny ambavafo ny globe vésicale. Anjaranao no mitsara hoe an’iza ny fahadisoana? Efa globe 3 andro izany no tsy nisy nahita. Faute professionnelle tompoko izany, saingy hitaraina amin’iza moa? Rehefa manomboka avo vava ianao dia mahazo hoe miseho milay. Saingy ny fitsarana mila porofo. Isika tsy mba manana sehatra akory azo itarainana sy hanampy ny olona mba hisorohana ny tsirambina toy izany. Eto amintsika, na ny autopsie aza tsy obligatoire fa rehefa maty dia maty, na dia tsy fantatra aza ny antony. Sady ny manana ny marary koa efa reraka, ny havany aza efa maty koa inona no mbola hisahiranany indray?

    Ny dossier tompoko, mba misy mahita ve hoe inona no voasoratra any anatiny? dia inona no mba azo porofoina amin’izay dossier? Ny dossier ange ka ny mpitsabo no manangana azy e. Raha tsy mbola misy expert afaka mitsara izany amin’ny maso tsy miangatra dia fialana fotsiny ny hoe avoahy ny dossiers.

    Marina tokoa fa betsaka ny resaka anjorony fanaon’ny olona na malagasy io na tsia, fa anjarantsika mahay no miezaka manitsy sy mitaiza ny olona amin’izany. Tsy anjaran’ny dokotera kosa anefa hoy aho, mba hisorohana ny kolikoly ny mivarotra fanafody na fitaovana ho enti-mitsabo. Mahavonjy olona ireny indraindray fa mampisalasala kosa amin’ny lafiny sasany hoe maninona no afaka mahita fanafody ny dokotera fa tsy mandalo amin’ny sehatra ara-dalàna (pharmacie sns) ny fitaovana sy fanafody rehetra ilaina.

    Tompon’andraikitra daholo isika rehetra, sarotra ny mitaiza ny olona, indrindra aty amin’ny tany mahantra be toa antsika, fa tompon’andraikitra voalohany ny olona mba nahita fianarana kely toa antsika mpitsabo hanatsarana ny zavatra rehetra.

    Misaotra indrindra tompoko nanokatra ny ady hevitra.

    • Mahefa Serge Rakotozafy

      « Ne jamais dénigrer un confrère! ». Amiko rehefa tsy mety ny ataon’ny confrère dia ny samy dokotera no mifampiresaka (amim-panajana) satria izy ireo no mifampi-comprendre(ka afaka mifanazava tsara raha ilaina izany). Raha mpitsabo ianao ka misy tsapanao tandrevaka anatin’ny service iray nefa tsy azo ifampiresahana ny mpitsabo ao dia afindrao hopitaly izy e. Efa misy protocole(izay ekena fa tsy tonga lafatra, saingy valina traik’efa aman-taonany maro) arahina isaky ny service ka tokony hajaina, satria rehefa mivahiny any @olona isika dia tokony hanaraka ny fombafomba ao fa tsy hametraka ny antsika na heverina fa mety aza. Tokony hajaina ireny satria matoa nentinao tany izy misy zavatra tsy vitanao fa vitany, ka tokony hisy ny fifampatokisana. Fifanampiana no tokony hatao amiko satria olombelona ihany ireo mitsabo ka sady manao présentation ianao hoe « Izaho dokotera ary mahatsikartra fa … Normal ve izany sa misy antony manokana? ». Mipetraha koa eo @toeran’ilay olona iresahana e! Raha ianao no teo @toerany, mety possible nisy zavatra ihany koa adinodinonao satria sahiran-tsaina t@zavatra hafa heverinao fa misy importance kokoa ianao(d’un envergure vitale!). Raha manao FB dia tokony hiditra @Groupe « Confrère de Mada » ianao na « Koi de Neuf docteur » dia mitaraina sy mifampiresaka any fa sehatra fanaovana an’izany any ary tena ilaina hanatsarana ny sehatry ny fitsaboana eto amintsika. Confraternellement!

      • Gasy ImpACT

        « Ne jamais dénigrer un confrère »? Marina tokoa aloha fa dia fomba fiteny eo amin’ny samy mpitsabo ity fiteny ity. Izay angamba ilay « éthique ». Fa dia mety izay koa angamba no maha-sarotra ny mikatsaka ny marina rehefa misy « faute professionnelle » ataon’ny mpitsabo anankiray.

        Raha tsy manan-kavana Dokotera izany ny olona iray ka sendra an’ity tranga iray ity dia mety ho inona no niseho? Nahazo fanazavana « bidon »?

        Ny fanadinoana sy varimbariana dia mpahazo ny mpiasa amin’ny sehatra rehetra fa rehefa misy « faute profesisonnelle » kosa dia diso fa tsy takotakonana ao (honnêteté intellectuelle). Izay anie ilay mahafaty ny marary sy mampitaraina ny olona e.

        Aiza no hisy ny fifampitokisana?

        • Mahefa Serge Rakotozafy

          Ny dokotera mi-dénigrer confrère no mahatonga ny tsy fifampitokisana @mpitsabo sy ny tsaboina eto amintsika. Éthique sy fahaiza-miaina izany, satria izaho koa mety ho solafaka indray andro any (@maha-olombelona ahy). Ny fanaratsiana olona tsy mampiakatra ny voninahitry ny tena tsy akory. Mifamaly matetika ny dokotera momba ny fitsaboana marary, saingy eo imason’olona dia toa ny mifanara-tsaina. Tsy miaina isan’andro @Hopitaly ianareo, fa matetika ny olona sarotiny, na ny fianakaviana mahitahita, na ny dokotera … no iharan’ny Complications, nefa rehefa mitsabo an’ireny ny mpiasan’ny fahasalamana no tena mitandrina indrindra. Rehefa mangataka Service @olona ka tiana hahomby dia aleo mametraka fitokisana tanteraka, ka mitondra am-bavaka. Ny paracetamol ohatra rehefa maharesy lahatra anao fa mahasitrana aretina compliqué tsy sitran’ny fanafody hafa, misy chance hanasitranany azy (angamba misy ifandraisany be @finoana @fivavahana io, ary antsoina hoe « effet placebo » @science). Vao mitsabo tena ianao ka na mahazo ny fitsaboana tsara indrindra aza, nefa tsy matoky dia indraindray tsy mahasitrana iny, izay no atao hoe « effet nocebo ». Ny hadisoantsika malagasy (anatin’izany ny dokotera) dia ny Comunication, nefa tadidio koa fa misy aretina(izay nianarana 8taona) sarotra azavaina anatin’ny fotoana fohy ka mampiteniteny foana ny mpitsabo. Oh: Ny Dr izao vao mahita fivontosana dia Cancer no eriteretina voalohany(satria grave na tsy izany aza), fa raha manontany ny havan’ny marary dia ho tapaka lalan-drà ireo raha holazaina izay …(ohatra 1 fotsiny izay). Soa ho antsika rehetra re-olona no anazavana an’izany fa tsy faly hanatsara Dr fotsiny an! Matokisa ahy!

    • Gasy ImpACT

      @Andria SF Faly miarahaba tompoko,

      Voalohany, misaotra anao indrindra manana saina malalaka sy « objectif » manaiky ny ady hevitra misokatra.

      Tsy hamely be fahatany ny mpitsabo akory no tanjona eto na hanome rariny foana avy hatrany ny mpitaraina fa tena hoe hijery marina ny zava-misy ary hifamporisika sy hijery miaraka ny fomba hanatsarana ny tontolon’ny fitsaboana eto amintsika amin’ny ankapobeny.

      Manahirana moa ity resaka ity satria rehefa miresaka amin’ny manodidina dia tsy vitsy ny olona (na mpitsabo na tsaboina) mahita zavatra tsy mandeha amin’ny laoniny – izay resahana eto – fa betsaka amin’izy ireny no mangina tsy te hisehoseho (samy manana ny antony).

      Ilaina anefa ny mifampiresaka sy mifanakalo hevitra sahala amin’izao hifampitazaina sy hifampihainoana hijerena vahaolana miaraka araka ny tandrify azy avy satria azo lazaina fa rehefa mitranga ny olana dia eo no ahitana fa tsy mifampahatoky intsony ny rehetra.

      Mamerina fisaorana tamin’ny fifampizarana.

    • Randria A

      Misaotra anao ry namana Docteur mifanakalo hevitra eto. Efa ela angamba ianao no tsy nandalo ny hopitaly eto Antananarivo sy ny faritra hafa ka tsy mahalala izany fiainana sy ny lalana mifehy ny hopitaly sy ny marary izany intsony. Ny dossier medical tompoko dia voajery, voasoratra sy voaisy sonia n’izay mpitsabo nizaha sy nanoratra prescription na fanafody na analyse io na imagerie. Fantatrao tsara ny maha confidentiel ny dossier medical: tsy misy mahazo mijery na mahafantatra aizay aoraha tsy ilay marary, ny mpitsabo sy ireo izay mpiasa ao amin’ny service iray voafatotry ny secret medical daholo. Rehefa misy fitoriana nataon’ny marary iray tonga dia io dossier io dia mise sous scellé tsy afaka kitihina intsony miandry ireo avis n’ireo expert designé.
      Momba ny resaka globe vésical nolazainao teo: tsy erreur médical zany fa erreur de diagnostic: zavatra samihafa ireo. Raha nisy acte na fitsaboana natao ka diso nahatonga loza na fahafatesana dia izay no erreur medical fa ny tantarainao dia erreur de diagnostic izay teo no eo ihany dia rattrapé haingana satria tsy nitarika na inona na inona.
      Manana tombony anie ianareo Docteur miasa libre na privé satria olona manambola afaka mandoa consultation ary indrindra indrindra tsy hospitalisé fa tonga dia mody tsy hitanareo maso 24h/24h.
      Sarotra ho aho ny asan’ireo mpitsabo namantsika ireo fa aza hamaivanina na tsikeraina fa mba angatahina ianareo rehetra na ianareo GasyImpact mangataka alalana miaina indray andro 24 ora fotsiny anaty hopitaly rehefa nahazo alalana dia hahita e. Mamporisika anareo hanao an’io mihitsy aho mangataha alalana amin’ny lehiben’ny hopitaly iray ida hahita ianareo ary minjo aho fa hiova tanteraka ny fomba fijerinareo;
      Misaotra

      • Mahefa Serge Rakotozafy

        Izay torohevitra izay no efa natoroka ny olona foana fa mbola tsy nisy sahy. Je relève le défis: raha misy olona iray sahy miaina ny fiainako mandritra ny 1 volana (avelako hody any an-tranony izy, na dia mbola misy manakorontana hatrany an-trano aza aho matetika). Fa ny angatahiko aminy dia miaraka amiko isan’andro izy isaky ny hiasa aho (hatr@ Garde 24 an!). Raisiny ny karamako iray volana, dia raisiko koa ny azy. Izaho indray manaraka azy 1 volana ka manao toa izany @asany, dia toa izay ihany no fandraisana karama. Dia averina anontaniana izy avy eo hoe: »Dia maninona tsara ilay dokotera mpamono olona? », ho hita eo raha mba miova kely ny fijeriny. Izay hevitra izay dia tsara anaovana Télé Réalité(2 volana mialoha ny andefasana azy), ka iarahan’ny rehetra mahita e! Sa ahoana? Tsy ratsy kosa ilay hevitra e? Safidy ny anay, ary fanompoana mpanjifa toa ny asanareo ihany, na heverinareo Biby mpamono olona aza izahay! Tsy mbola nisy Dr nangataka fandokafana t@olona fa « minimum de compréhension » no angatahina dia izay. Raha misy tsy mety, angamba tsy fanarabirabiana sy fifanomezan-tsiny no mampivoatra fa fifanoroana hevitra e! Diso ve izany?

        • Gasy ImpACT

          @Mahefa Serge Rakotozafy, miarahaba tompoko,

          Manao resaka « aller-retour » be ny miresaka aminao. Efa mazava sy naverina foana taminao teto fa tsy ny mpitsabo rehetra manao ny asany araka ny tokony ho izy no noresahana teto fa ny mpanao tsirabina. Fa ohatrany toa tsy hainao ny manavaka an’ireo sokajin’olona ireo. Mahavariana! Diso ny olona aminao rehefa mizara ny alahelony sy mifampizara hevitra. Kihana sy fanomezan-tsiny be fahatany no fandraisanao azy rehefa mitsikera ny zavatra tsy manjary ny hafa. Terenao hanakombona ny vavany ny olona na lazainao fa « secte » rehefa mifanakalo hevitra aty ambadika aty. Noterenao hanaiky tsotra izao ny zavatra tsy mandeha amin’ny laoniny eny amin’ny Hopitaly ny olona na dia efa izany indrindra aza no mandreraka azy. Tsy any Korea Avaratra akory isika Malagasy ka malalaka ny tsirairay haneho hevitra na ianao na ny hafa, na kihana no atao na fanohanana.

          Ianao irery hatreto no nametraka ny mpitsabo rehetra tsy an-kanavaka ho « Biby mpamono olona ». Ny olona hafa nahay nankasitraka ny mpitsabo izay mendrika fanohanana na koa nitondra tsikera amin’ny zavatra tsy mety. Raha tsy nanao ny « défi » natolotrao ny olona, tsy hoe: « tsy sahy izy akory » fa misaina. Tsy mila mandray karama any amin’ny « Télé-Réalité » izy akory vao mahalala fa mafy ary tsy mora ny asan’ny mpitsabo – fantany izany. Fa diso moa ny olona ho anao raha mitaky ny tsaratsara kokoa.

          Na izany aza dia misaotra anao naneho hevitra. Mirary soa indrindra tompoko!

          • Mahefa Serge Rakotozafy

            Ialako tsiny fa tafaverina tsinahy t@ity resaka ity aho ary hay nisy resaka tsy voavaliko ka mba hamaly azy fotsiny:
            Rehefa manao resaka moana-marenina isika dia lasa aller-retour izy.
            @Asa rehetra dia évident be fa misy manao tsirambina, noho izany ny mpanao tsirambina no tokony horesahina fa tsy ny « corps rehetra ». Ny olona dia afaka maneho ny alahelony sy mifampizara ny heviny, saingy tokony hofantarina hoe inona no tanjona. Rehefa mipetraka ny tanjona dia hita hoe sehatra aiza no tokony hizaràna azy mba hahatratra ny tanjona. Raha @sehatra « public »(toa ny eny an-dalana, Fb …) no izaranao azy dia iza no maheno fa tsy ny sarababem-bahoaka izay tsy mahalala ny tena réalité ka mora taitaitra mampifandray zavatra tsy mitovy. Lasa secte ilay izy satria lasa antoko kely misaraka sy manohitra ny rafitra napetraka. Raha sendra mahomby ny tolona dia miafara @fandroahana an’i ranona sy ranona sy fanakatonana an’izao sy izao … Nefa ilay solony ve tsy hanao toa azy koa? Raha hanova no tanjona dia ny tompon’andraikitra no resahina (izay tsy manao FB sns ny ankamaroany) ka ny Système no amboariny hiovan’ny fisainana’ny mpiasa. Aza manaiky ny tsy rariny , saingy rehefa mitolona, tsy aleo ve jerena ny ho vokany?
            Ny firesakareo no manambara an-kolaka fa biby mpamono olona ireo Dr manao tsirambina lazainareo ireo, izay marihina fa tsy voatery ny 100% tamin’ireo eritreretinareo ireo no tena nanao tsirambina fa mety ny 75% dia tsy fifankazahoan-dresaka fotsiny. Afaka mitaky ny tsara kokoa ny olona, saingy tokony hahalala fa ny valala tsy an-tanana tsy afaka atolo-jaza na ho tora-tany aza ny zaza. Ny dikan’ilay défi tsy hoe dokafy izahay fa miasa be nefa mandray karama kely, fa hoe fantaro aloha ny tena zava-misy vao manakiana sao diso adiresy ny kiana.
            Mirary soa anao ihany koa tompoko!

          • Gasy ImpACT

            Salama Tompoko.

            Tsy misy tsiny fa afaka hiverenena foana ny resaka rehetra kah.

            Efa voatanisa ao anatin’ireo fifanakalozan-kevitra natao teto daholo ny tiana ambara ka tsy hivalaparana be intsony.

            Ny tanjona dia tsy maninona fa azo haverina indray : fanairana ny sain’ny tsirairay hanova zavatra. Fahasalamana iombonana anie no resaka eto e. Tanjona faharoa, famporisihana ny olona « victimes » rehetra tsy hangina – indrindra fa hatahotra na hiafy manana ny rariny – fa kosa hanatona ny manam-pahefana mahefa sy hampitandrina ny mpiara-monina amin’ny zava-misy niainany.

            Ny ankoatry izay dia voalaza ao anaty lahatsoratra daholo.

            Misaotra amin’ny fanehon-kevitra. Mirary soa.

      • Andria SF

        Misaotra tompoko amin’ny fampahatsiahivana ny momba éthique médicale. Marina ny anao tompoko, saingy raha hanatsarana zavatra sy hisorohana ny « tsy nahy » na « tsy fitandremana » dia tsy maninona, aleoko misafidy ny hilaza ny marina tompoko, hevitro ny ahy izay dia tanako. Sanatria tsy hihambo hahavita toa ny mpiasan’ny hopitaly, samy manana ny lalana sahaza azy ny olona rehetra. Ny polisy manotra, sns, azontsika tsikeraina, fa maneho hevitra tompoko, ny maty tsy hiverina fa asakasak’izay mahatsapa ho voatifitra raha misy mba manomboka tsikera. Ary nitarika fahafatesana tamin’ny marary ny « infection urinaire be nahazo azy ». Nisy tokoa ny fikoropahana, isaorana izay nanao izany, saingy tara loatra, indrisy. Dia inona hoy ianao, mandehana mitory ve? Tsia tompoko, tsy izay no fanapahan-kevitry ny fianakaviana tamin’ny fotoan’androny. Izay izany no nahatsara zavatra. Niresaka tamin’ny lehiben’ny hopitaly tokoa ny tenako, ary nanana ny navaliny izy , isaorako azy izany, fa nijanona teo ilay resaka.
        Ny torohevitra re tompoko, manainga antsika rehetra hanisy balise amin’izay ny sehatra maro eto amintsika fa mijaly ny olona, dia mba mila éducation koa ny olona ary tsy misy afa-tsy izay manam-pahaizana no afaka manao ny éducation ho an’ny olona, mandraisa andraikitra tompoko.

        • Mahefa Serge Rakotozafy

          Ny marina? Fa nga moa ny Dr mandainga? Hilaza zavatra @olona ianao, nefa ilay olona tsy mahazo tanteraka izay teneninao(izy tsy nianatra médecine, nefa raha tianao hazava dia ny Physiopathologie no velabelarina), dia lasa mivaona ny fandraisany azy. Rehefa kianin’olona ny Dr Malagasy avy eo fa tsy mahay dia ianao koa voaraoka ao anatiny. Tsy misy mandà tsikera raha hampivoatra no tena tanjona ka miteraka fanovana fa tsy fanakianana tsotr’izao fotsiny dia vao miha-manakorontan-javatra. Tsy haiko aloha raha misy voatifitra fa ny antony amaliako ny fitarainana eto dia tsy soa ho ahy fa soa ho an’ny marary sy ny fahasalamany e. Mampalahelo fa noho ny fanakianana be dia be momba ny hopitaly sy ny dokotera dia efa sentiment négatif no entin’olona mitsabo tena(tsy ahazoana fahasalamana zareo zany an!). Ny mpitsabo koa lasa tsy manao ny asany scientifiquement intsony fa las mifototra @fiarovana ny rambony tsy ho tapaka ny fitsaboana. « La confiance traitant-traité est essentielle pour l’efficacité des prises en charge ». Ilay firesahana t@lehiben’ny hopitaly izao no nety be satria nahafahana nanitsy ny tsy mety, dia tokony nijanona teo ilay resaka ary nisy fepetra noraisina, sa mbola tsy mety afa-po mihitsy?

        • Gasy ImpACT

          @Andria SF, miarahaba tompoko,

          Misaotra anao indrindra nifampizara sy naneho hevitra teto. Mankasitraka ihany koa ny amin’ny fanetren-tena sy fifamporisihana eo amin’ny samy nareo mpitsabo.

          Mahereza amin’ny asa atao. Mirary soa indrindra tompoko.

  • Mahefa Serge Rakotozafy

    Ialako tsiny raha hoatran’ny Pub no fandraisana an’ity fa FB ihany no resaka eo dia manasa anareo hiditra @groupe « Vaovao sy Fahasalamana » @FB raha misy zavatra tianareo ho fantatra momba ny aretinao na ny havanao marary ka misy tsy azonao. Any afaka mifanazava ianao sy ny dokotera ary misy fampianarana ho an’ny rehetra koa ao momba ny fahasalamana. Any afaka mifanentana hanovana ny système de santé sy ny tsy mety aminy. Torohevitra ihany ny ahy, fa anareo ny safidy hoe inona no mampivoatra. Mirary soa e!

  • Randria A

    Faly miarahaba antsika rehetra. Izaho dia mpitsabo mpiasampanjakana amian’ny Hopitaly iray voatonona teo. Mahalala tsara ny zava misy amin’ireny Hopitalim-panjakana ireny. Fantatro ny asa mafy mianjady amin’ireo mpitsabo ireo na ny dokotera nany mpitsambo mpanampy na ny mampivelona.
    Tsy vitan’ny miasa saina (asa sarotra sy mafy nandaniany ny fianarany sy ny androny) amin’ireo fitsaboana na famelomanan’aina io na koa ny fanamaivanana ny fanaintainana’ny marary.
    Fa miasa saina koa mampiasa ireo zavatra kely sy tsy ary fomba eo ampelatanana ( fantantsika ny zava-misy sy ny fitaovana misy amin’ireny hopitalim-panjakana ireny fa tsy ampy sy tsizarizary ary zara raha mandeha aza ny ankamaroanay).
    Manampy trotraka izany koa ny tsy fahampiana ara-bola sy hoenti-manana amin’ireo marary sy ny mpanaraka azy. Izany rehetra izany dia miantraika amin’ireny mpitsabo ireny andro aman’alina. Ary matetika koa reo marary dia efa lany andro sy lany vola tany amin’ireo mpitsabo tety ivelany na nahavita fianarana sy ara-salana ireo na koa ireo mitsabo amin’ny fomba nentim-paharazana ka efa halohalika sy ranombary sady efa sarotra nyaretiina fa manantona hopitaly. Voafitaka anie ireo marary ireo hoe MAIMAIMPOANA ny fitsaboana eny amin’reny Hopitaly ireny e. NY asan’ny mpitsabo na fitsaboana na fandidiana no maimaimpona GRATUIT tsy andoavam-bola fa ny Fanafody sy ireo zavatra hafa rehetra mety ho ilaina TSY MAINTSY VIDIANA eo no eo fa mba hahasitrana haingana ny fitsaboana.
    Koa mora ho antsika manan-katao sy manana solosaina sy internet afaka manao facebook, twitter sy manoratra amin’ny forums sns no mitsikera sy mitanisa zay marary tsy voatsabo sy tsy voadidy eny mety ho maty koa azaFa mba jereo ny zava-misy aloha. Fomban-tsika malagasy ny hoe « izay marary andrianina » dia midododod mamangy sy manaraka ilay marary. Fa firy amin’ireo olona marobe ireo moa no mety hividy fanafody hoa an’ilay marary fa mitsoaka daholo raha vao manortra taratasy ilay dokotera indrindra moa rehefa miteny zay ny mpitsabo hoe mila manome ra ny havanareo.
    Izay hampandroso ny firenena no tokony hoeritreretina hahafahan’ny fanjakana manome fitsaboana sy fanafody tena maimaimpoana fa tsy ny fitsikerana olona miasa.

    • Gasy ImpACT

      Mirahaba tompoko,

      Miara-manaiky angamba ny rehetra fa tsy mora ny asan’ny mpitsabo ary tsy tonga lafatra koa ny fahalalan’ny marary sy ny mpanaraka azy.

      Ny olona anie tsy mitsikera be fahatany fa ny zavatra hitany sy iainany no tantarainy. Sahala amintsika mitsikera asan’olona hafa izay mahakasika ny lafim-piainantsika hafa. Fa iza moa ny mpitsabo no ho afa-miala amin’izany?

      Samy tsy mana-pahataperana ny rehetra ka izany indrindra no ilana fifanakaloazana sahala amin’izao hifampitaizana sy hisehon’ny marina.

      Marina koa fa izay manana solosaina sy Internet no mifampisera eto aloha. Fa mifampiresaha fotsiny isika amin’ny manodidina eny rehetra eny dia ho hitantsika fa tena samy manana tantara kely ambarany ny rehetra mikasika ny fitsaboana eto.

      Haverina ihany fa tsy hanameloka bamba iray ny mpitsabo no tanjona eto fa fanarenana ny tsy mety izay tokony harenina. Samy manana ny andraikitra tandrify azy ny tsirairay mba hanovana an’izany.

  • Rabokona

    Izao zany mahita oe very fotoana le otrany lasa manao ady hevitra ndray le izy ! Nefa resaka ain’olona le resahana
    raha ny fahazoako azy dia ny dokotera no tsy sahy mietsika (izany oe DISO) satria raha efa hitany sy fantany atrizay kosa ve oe tsy manana moyen sy matériels le hopitaly dia tsy tokony ry zareo ve no manao harcèlement ao @fanjakana oe ampio ny hopitaly fa be ny maty noho tsy fahampiana @lafony rehetra
    Za ry zareo nanana havana roa maty tany @hopitaly , aretina roa samy hafa be mitsy le izy fa ny zvtr tenenina anay fianakaviana ftsn d oe hémorragie interne foana ! Foana ! Tsy aiko oe zay ve sisa le zvtr tenenina d oe tokony hihonina @zay le fianakaviana !? Zany hémorragie zany v tsy tokony efa maîtrisée efa ela ? Tsy misy v Dokotera mba tena nikaroka oe taiza ny défaut antsika mba hitadiavana solution @manaraka fa tsy oe maty le olona d vita atreo ?
    @ko manokana zany ny vahaolana dia ry zareo dokotera tokony anao pression ao fanjakana fa misy olana efa erahany mahita fa mahafaty olona b loatra ka tokony ampina !
    Nahagaga anah le olona etsy ambany niteny oe sécurité sociale … ?????
    Nampalelo a koa le zandry kely tapaka tanana d nasaina nanasonia mody satria tsy nanana vola.
    Ny dokotera raha tsy diso a manao serment otrany miaramila sy ny filoha ka ny tokony ao anatiny lohany ndry zareo indrindra zany dia ny manavotra ain’olona aloha !
    Erantany misy otrany zao daholo ary hihisy foana fa kosa ra azo atao ny mampandroso ny fitsaboina tsy aleo v hampandroana ?

    • Randria A

      Ny dokotera araky ny voalzao dia nanaoa serment tokoa. Fa olom-pirenena sy mpiasam-panjakana koa izy ary manana ny vady aman-janany sy ny fianakaviany. Koa tsy afaka izy hamoaka ny vola any ampaosiny hividy fanafody na fitaovana ho an’ireo zay marary rehetra mila izany nefa tsy afaka mividy nohon ‘ny tsy fisiana. Anjaran’ny fianankavian’ny marary no mandray andraikitra mitady zany. Efa miasa saina mitsabo, mandao vady amanjanaka amin’ny alina ve ny mpiasan’ny fahasalamana dia mbola tadiavinao hitady fahavalo hanao pression amin’ny fanjakana sy ny mpitondra. rahampitso dia affecté angamba. Koa aza lany andro manilika andraikitra fa io fitsaboana io dia iraisan’ny rehetra marary- mpitsabo- hopitaly- fanjakana – fianakaviana.

      • Mahefa Serge Rakotozafy

        Mandainga zany ilay dokotera milaza hoe Hémorragie Interne? Any an-dafy ve tsy misy olona matin’ny hémorragie?
        Ny fahasalamana dia tsy olona fa système. Ny dokotera dia Pion anatin’io fa tsy Roi. Fa ny mpanao politika(mety dokotera na olon-tsotra) no Roi sy Reine anatiny. Minimum de moyen avec Maximum de résultat no angatahina @dokotera Malagasy. Izay dokotera nouvellement recruté dia mba taitaitra te hitroatra toa anao koa, fa ra-Fanjakana ve manaiky hoporetinao @zany? @fomba ahoana? Tsy affectation disciplinaire no azo? Ny azon’ny dokotera atao dia manao izay farany vitany @fitaovana misy am-pelatanana, dia miaritra ny gidragidran’ny olona isan’andro. Miady @chef hiérachique-ny foana ny dokotera noho ny tabataba ataonareo etsy sy eroa, nefa io koa mena ambonin’ny mena e!Tsy ilaina tokoa ny adihevitra fa raha te hanova zavatra ianareo dia ny mpitondra kitihina e! Mamaly ny dokotera satria be dia be ilay zavatra tsy mitombona anatin’ny fanakianan’olona (à coté de la plaque mihitsy), nefa hafa ilay tena souci.

  • maminiaina

    Matoa ny dokotera iray manao zavatra dia misy antony avokoa izany na ny miandry fa tsy manao zavatra amin’ny marary ary dia tafiditra ao amin’ny fitsaboana avokoa
    ny mahavoa ny mpanaraka marary dia diso interpretation na rehefa tsy mifanaraka @ izay tiany dia mimenomenona any ambadika any fa tsy mifampiresaka direct

    • Gasy ImpACT

      Azo heverina daholo izany rehetra izany. Fa na ny olona mifampiresaka direct na ny mizara an’izany any ambadika any dia tsara henoina daholo. Mahatsara zavatra.

      • Mahefa Serge Rakotozafy

        Ahoana no ahafahan’ny Dr mihaino olona any ambadika fa tsy miresaka aminy direct? Ahoana no aminanian’ny Dr hafa ny intention nananan’ny Dr iray hafa (izay ilay miteraka fifanaratsiana @samy mpitsabo, mamofona zarazarao anjakana nefa tsy hiady no tanjona fa hitsabo). Ny resaka ambadika no tonga @ilay fiteny hoe « Manangana Secte! ». Ny secte anie ka ny efa resy lahatra ihany no resen’ny efa resy lahatra, ka mahatonga fikomiana sy asa ratsy satria mifanabosibosika nefa tsy mahalala ny version hafa akory e! Fitaovana ampiasain’ny mpanao Politika @ireny Radio miankina @antoko ireny izany, ka tafalatsaka anatin’ny fomba fisainantsika: Mifosa sy mifamporisika nefa tsy vonona hivelatra hihaino ny fanazavan’ny ankilany akory.

  • Anonyme

    Miarahaba

    Ny tenako tsy dokotera fa narary nitsabo tena. Mankasitraka tanteraka ireo dokotera izay manao ny tsy heran’ny ainy, momba ny fitsabona marary eto Madagasikara, fa tsy vitan’ny mitsabo izy ireo, fa mbola manao ny gestion ny any amposinao marary koa satria arakaraky ny any amposinao no ahafahany mitsabo anao, vidina ny zavadrehetra.
    Betsaka izany ny asa saina ataony.
    Tsy vitsy ny dokotera no mamoka amposy manampy ny marary, izay mba tips azo kely tery am le marary iray, arotsaka etsy indray,
    Ary ny dokotera no mahita akaiky ny fijalin’ny olona izay maty noho ny inona? Tsy fahampiambola hividianana fanafody, eritrereto amzany ny fiharetana mijery io olona io milentika tsikelikely eo,
    Kanefa….. Kiana no setrinizany, kiana hoy aho, koa ataoko fa tsy rariny mihitsy ny fanehoankevitra amin’ny zavatra ankavitsiana izay mety nisy tokoa, anefa tsy ety ny fanehoana izany.

    Mahereza ry dokotera, fa tsy vitan’ny mitsabo ianao, fa sady mivaky loha amin’ny zavadrehetra momba ny marary, ary koa mitaty ny roran’ny mpitsikera

    • Gasy ImpACT

      Miarahaba,

      Miombon-kevitra aminao tanteraka aho fa mendrika ho deraina manokana ireo Dokotera manao ny ainy tsy ho zavatra ary manasoa ny mpiara-belona aminy. Soa fa misy ny olona sahala amin’izany. Misaotra azy ireny.

      Ary mino sy manantena aho fa azonao tsara fa tsy ireo vondron’olona maha-te ho tia ireo no hiantefan’ny resaka eto fa kosa ireo manao tsirambina sy goragora toy ny eny amin’ny sehatra hafa rehetra mahakasika ny fiainan’ny olona.

      Tsy nisy olona ratsy fomba teto ka nandrora na tsy nampihavaka mazava ny zavatra irin’ny olona mba hiova ho eo amin’ny fiainany. Ilaina ny tsikera. Fanao izany ary tokony atao satria mahatsara zavatra.

      • Anonyme

        Izay ny tsy mampety ny fanehoankevitra toy izao, tsy fantatra akory ny fahamarinan izay voalaza rehetra eto, dia lasa tsy mitombona ny hevitra. Dia generalisen’ny olona ny resaka, dokotera rehetra sns, ka manimba ny asan ireo olona ireo, voahosohoso

        • Gasy ImpACT

          Ny olom-pirenena kosa tsy maintsy maneho ny heviny rehefa zavatra mahakasika ny fiainany. Zony izany. Aza tonga isika dia « négatif » sy « défensif » rehefa mandray zavatra. Afaka mandinika ny olona fa tsy voatery hanao safo be mantsina. « Erreur médicale » no resaka teto. Misy an’izany eran-tany ary tsy fady ny miresaka an’izany. Any amin’ny firenena hafa manana sehatra ny rehetra hifampiresahana an’izany madio sy malalaka. Koa maninona isika no mametra ny Malagasy tsy hifandinika mikasika an’izany.

  • Mahafaly

    Miarahaba tompoko!
    Mpitsabo vao avy nahavita fianarana ny tenako.

    Voalohany, olona kanosa no mitati-dresaka toy izao. Fa raha olona mahalala fahalalam-pomba sy manaja fiaraha-monina dia ny manatona mivantana avy hatrany ny tompondraikitra no famahana olana.

    Faharoa, misy ny atao hoe affirmation gratuite izany hoe misy porofo mivaingana ve ireo filazana rehetra ireo? Tsy miteny aho hoe tsy marina ireo na aona fa nisy fanadihadiana ve ary efa nakana ny heviny ve ireo tompon’andraikitra sy miasa @hopitaly voahoso-potaka ataonareo io? Ataoko angamba fa manana droit de reponse izy ireo.
    Raha filazana eto manko dia fitaterana niainga avy tamin’ny fanadihadiana t@ facebook no namoahana ilay matoan-dahatsoratra. Nanomboka ovina no facebook no hanaovana fitsoahan-kevitra?
    Iza ilay mpanoratra ity publication ty (identité mazava)?

    Fahatelo, tsy moramora ny fianarana vao nivoaka ho mpitsabo izany. Tsy hisy olona hanao kitoatoatoa @ asa fitsaboana tompoko.
    Ny tranga mety misy dia rehefa ts mifanaraka @filantsika sy tsy tout de suite ny fandraisana marary dia resabe sy tsy firarahina zay.

    Fahefatra, ireo hopitaly voalaza ireo dia CHU na centre hospitalier UNIVERSITAIRE. Izany hoe tsy maintsy misy mpiana-draharaha (interne) izay efa nianatra 6 taona farafahakeliny. Tsy miasa irery anefa izy ireny fa izay ataony rehetra dia nahazoany alalana avy @lehibe izay manara-maso koa ary anaovany compte rendu.

    Farany, angamba raha te hanatsara zavatra isika dia tsy @fimenomenomana no hahitana fahombiazana sy fanitsina a @ alalan’ny fifanatonana mivantana ka mifampiresaka ary miara-mitady vahaolana.
    Tadidio nge fa na inona na inona mitranga amintsika dia tompon’andraikitra ihany koa isika na mivantana io na ankolaka fa aza faly sy maika hanome tsiny ny hafa hatrany.

    Misaotra tompoko @ fifampizarana.

    • Gasy ImpACT

      Faly miarahaba anao ary arahabaina manokana nohon’ny fahavitan’ny fianarana. Misaotra ihany koa amin’ny fanehon-kevitra.

      Mila hampahafantarina sa hampahatsiahivina antsika rehetra ve fa ny Facebook na Twitter na Forum na ny Blog dia sehatra iray ahafahan’ny olona rehetra tsy an-kanavaka maneho hevitra na mifanakalo hevitra mikasika ny lohahevitra rehetra. Zo fototra maha-olona izany ary mifanaraka amin’ny vanim-potoana iainantsika no sady koa ara-dalana. Mazava ho azy fa misy ny fepetra voafaritry ny lalana ampiasana an’izany fahafahana izany – izay tsy maintsy hajain’ny rehetra. Ka raha misy mahita fa misy tsy fanarahan-dalana eto dia asaina am-pitiavana izy hilaza an’izany tsy ampisalasalana.

      Ny zava-misy dia tsy zatra ady hevitra isika ary tsy mahazaka kiana izay mahatsara zavatra fa tonga dia mahatsiaro ho henjehana foana ary mila miaro tena foana na dia lohahevitra azo hifampiresahana tsara aza. Hiezaka hamaly ny fanamarihana tsirairay nataonao aho.

      Voalohany, kanosa ve ianao tamin’ny nanao ny “rapport de stage”-nao na nanoratra ny “Thèse”-nao? Nanao tatitra ny zavatra nianaranao sy hitanao “sur terrain” ianao dia nizara an’izany avy eo. Mitovy tanteraka amin’izany no nataoko rehefa nitatitra sy namintina ny zavatra hitako teo amin’ny Facebook aho. Ary notsindriko tsara io fa tsy nafenina. Raha mikasika an’ireo olona nitatitra ny zavatra nahazo azy indray sy ny fianakaviany dia naneho ny heviny izy, nizara ny ampahan’ny tantarany sy nizara ny alahelony. Iza moa isika no hanakana azy tsy hanao an’izany? Nisy fiteny mamoa-fady na tsy ara-dalana ve nataony? Ny fahitako azy manokana: tsia ny valiny. Raha ny hitako dia vitsy no nanonona anarana Hopitaly ary tsy nisy ny nanonona anarana “service” na anarana dokotera.

      Raha ny hevitro manokana dia tsara ny ahafantarana ny anaran’ny Hopitaly sy ny “service concerné” mba ahafahana mandray ny fepetra tokony ho raisina. Loharanom-baovao ireo ohatra ho an’ny tompon’andraikitra ao amin’ny Ministeran’ny fahasalamana na mpanao gazety na Bianco (raha resaka tsolitra) hiaingan’ny fanadihadihana lalina.

      Raha ny hevitro manokana dia tsy tsara ny manonona anarana Dokotera avy hatrany mba hialana amin’ny fanosora-potaka sy fitsaram-bahoaka indray ohatra. Anjaran’ny fitsarana na tompon’andraikitra mahefa no manambara an’izany.

      Faharoa, azonao lazaina ve hoe aiza ilay “affirmation gratuite”? Araka ny voalazako tetsy ambony dia fanehon-kevitra nataon’ny olona teo amin’ny Facebook no notanterina teto sy hanairana ny sain’ny rehetra ary hanokafana adi-hevitra sahala amin’izao. Manoso-potaka ve ny olona raha mitantara hoe: “Maty tao amin’ny Hopitaly Befelatanana ny raiko na ny reniko…”? Safidin’ny tsirairay ny mizara na tsia ny zavatra manjo azy. Zony izany.

      Mazava ho azy fa manana “droit de réponse” daholo na ny dokotera na ny olon-tsotra. Izany mihitsy ary no takiana mba hisehon’ny marina sy hisin’ny mangarahara. Ilaina ny mpifampiresaka sy mifanabe. Ary izany indrindra no mahatsara ny tambajotra sosialy (réseaux sociaux) izay anisan’ny fitaovana ahafahana manao an’izany.

      Hatramin’ny nisin’ny olona maneho hevitra teo amin’ny Facebook dia fitaovana iray azo hanaovana fitsoahan-kevitra izy. Mazava ho azy fa tsy manana “valeur scientifique” ny vokatra azo eo fa kosa fanao tsara izany ahitana ny maripana na ny “tendance” misy eo amin’ny fiaraha-monina iray. Amporisihana tanteraka ny INSTAT na ny Ministeran’ny fahasalamana hanao “sondage” ofisialy sy fanadihadihana lalina mikasika an’izany. Tsara atao izany.

      Ny fahafantaranao ny “identité” mazava ny mpanoratra an’ilay lahatsoratra ve hampiova ny tantara tanterin’ny olona? Ny fahafantaranao ahy manokana ve manamarina na mandiso ny zava-misy (Les faits) hiaraha-mahalala? Isika mpiteny amin’izao fotoana fa aoka izay ny mijery tsangan’olona fa aleo tsangan-kevitra no jerena. Fanehoana sy fifanakalozan-kevitra ao anatin’ny fifanajana no atao eto. Ka fanehon-kevitra no lahara-pahamehana eto fa tsy fisehon’olona.

      Fahatelo, miara-manaiky daholo ny rehetra fa sady lava no tsy mora ny mianatra ho mpitsabo. Marina izany. Fa miala-tsiny aho raha mampatsiahy fa sahala amin’ny sehatra rehetra misy eto amintsika ny tontolon’ny fitsaboana : toy ny saonjo iray lohasaha ka tsy ilaozan’izay mamarara. Misy ny mpitsabo manao tsirambina (avy aminareo mpitsabo ihany no ahafantaranay ny marina), misy ny mpandraharaha eny amin’ny Hopitaly tsy manaja olona, misy ny manao afera madinidinika isankarazany – ary sahala amin’ny sekolin-dry zareo mpitsara sy zandarmaria ihany koa dia tsy ilaozan’ny afera koa ny eny amin’ny “Medecine”. Mila porofo ianao? Iza moa no mpianatra Dokotera na Dokotera sahy hijoro vavolombelona amin’izany? Misy fotoana ny zavatra rehetra.

      Amiko manokana raha Dokotera manao ny asany tsara araka ny tokony ho izy dia tsy mahatsapa akory izy ho voakasika mivantana amin’izao resaka izao satria fantany fa ireo olona tsy manaja ny asany no ivon’ny resaka eto.

      Farany, raha te hanatsara zavatra isika dia tena ilaina ny mihaino ny fitarainan’ny olona. Aza atao hoe “mimenomenona” izy fa kosa inona ny zavatra tsara tokony raisina ao anatin’ireny. Betsaka ny zavatra mila hatsaraina eto amintsika na mahakasika ny mpitsabo na ny olona tsaboiny. Izany indrindra no ilana sehatra sahala amin’izao ahafahana mifampihaino sy mifanakalo hevitra.

      Tsy hifamotika akory no tanjona fa hifamelona. Mifampiankina ny zavatra rehetra. Averina hatrany fa tsy ny mpitsabo na mpandraharaha manao ny asany tsara akory no resahana eto fa ireo mpanao tsirambina. Azo atao ve ny manao an’izany? Valiny: tokony atao satria mahasoa ny rehetra na ny mpitsabo na ny olon-tsotra.

      Mankahery ny mpitsabo sy mpandraharaha rehetra eny amin’ny Hopitaly eny amin’ny fanaovana ny asany.

      Misaotra an’i Mahafaly nizara hevitra ary mirary soa ny amin’ny tohin’ny asa.

  • Mahefa Serge Rakotozafy

    Ny olana amintsika dia tia mifosa loatra nefa matahotra ny tena marina. Rehefa misy olana ra-olona dia ilay olona concerné mihitsy resahina an! Ny olona tsaboina tsy mahazo izay fanazavan’ny dokotera dia mandray araka ny fahazoany azy ka manao interpétation ho azy manokana, avy eo iny no apasy etsy sy eroa. Ilay olona concerné @io tsy manana Droit de réponse (satria tsy eo) fa ny mpamendrofendro manampy trotraka. Rehefa tsy te hifanazava aminy ianareo (fa faly mifosa olona) dia torio izy e! Matoa afa-maina ilay dokotera (na misy aza ny corruption), misy Raison scientifique foana ao e! Any an-dafy be fitaovana misy maty be dia be fa ny eto amintsika vao misy maty dia tsy maintsy no mpitsabo no diso, fa maninona?

    • Gasy ImpACT

      Marina fa tia resaka isika Malagasy ary marina koa fa mety misy ny « interprétation » avy amin’ny tompon-kavana. Fa aoka kosa tsy atao antony tokana izany hanakanana ny olona tsy haneho ny heviny. Ilaina ny mifampiresaka sy mifampihaino. Tsy ampy an’izany isika. Tsy aleo ve mivoaka ireny resaka ireny dia misokatra ny adi-hevitra. Hifanabe sy hanatsara zavatra no tanjona.

      • Mahefa Serge Rakotozafy

        MIfampiresaka fa tsy miresaka ambadika. Raha ny marina tokoa no tadiavina dia ny tompon’andraikitra no tsara anontaniana fa tsy mitady famendrofendroana avy aty @olona tsy nahalala akory ny zava-nitranga fa vao miha-manampy trotraka ny fankahalana. Sa diso ve izany?

        • Gasy ImpACT

          Fa isika ve mihevitra fa tsy efa nanao izay tokony nataony ny olona raha sendra olana: manatona tompon’andraikitra na mitady fanazavana amin’ny olona hitany eo, ets. Ny zavatra ataony any ambadika any dia izy irery no mahalala an’izay.

          Fa averina ihany fa ilaina ary tokony atao ny mifampizara train-kefa sy mampahafantatra ny zava-misy, mifanakalo hevitra. Manatsara zavatra izany ary mampandroso.

          Dia tena mihevitra ve isika fa lasa nankahala Dokotera daholo ny olona teo amin’ny Facebook? Ary afaka eken’ny saintsika ve fa matoa koa ny olona mitaraina amin’ny zavatra manjo azy dia tsy hoe fitiavana hamendrofendro be fahatany fa kosa manantena fiovana sy fiatsarana izy amin’ny fiainany andavanandro?

          Aza adinoina koa fa betsaka lavitra anie ny olona no matahotra miteny sy milaza ny zavatra nanjo azy. Ho an’ireny olona ireny koa no hitenenana eto.

          • Mahefa Serge Rakotozafy

            Tsy sakanana ny critique raha « constructive »(manome vahaolana, en connaissance de cause), fa raha tsy izany, aleo amiko mangina fa manjary vao miha-mi-compliquer zavatra be dia be fa tsy manatsara akory. Rehefa mitondra marary:
            – na manaiky fa misy rafitra mipetrapetraka efa voadinika an-taonany maro ao(dia ikipiana sy andeferana ny tsy mety, izay tsy lavina fa misy!),
            – na tsy mahazo ny zava-misy sy matahotra sao ho faty ny havana ka mitady fanazavana etsy sy eroa,
            – na sosotra @tsy rariny misy ka mandefa ny fitarainana @andalan-tohatra maro.
            Tsy misy sahy hilaza fa tonga lafatra ny fitsaboana eto amintsika fa ny fanatsarana ra-olona atao am-pahendrena fa tsy entim-po fotsiny dia miteniteny foana sy manaonao foana an!
            Ny olana @fitaterana misy anie matetika dia tsy tena fitaterana ny zava-misy ilay izy fa 75% interprétation e! Tsy mahafantatra akory fa mandray an-tendrony dia misefosefo be.

          • Gasy ImpACT

            Hoy ianao hoe : « …dia ikipiana sy andeferana ny tsy mety… ». Ny fahitako azy dia efa vizana sy leo ny olona mikipy sy mandefitra amin’ny zavatra tsy mety. Ary tsy hitany intsony izay ianteherana dia mitaraina amin’ny manodidina sy mifampizara alahelo sisa no ataony.

            Ahoana moa no ahafahanao milaza fa 75% no interprétation? Mety ho kely, mety ho betsaka, mety tsy misy mihitsy. Tsy misy mahalala isika.

            Fa ilay fitsaboana tsy tonga lafatra voalazanao izay mihitsy no irin’ny olona hiova ho amin’ny tsaratsara. Izay no hisariana ny sain’ny be sy ny maro fa indrindra ny tompon’andraikitra.

  • Rasolo

    Miarahaba antsika rehetra, misy fahamarinany avokoa ny resaka rehetra. Fa ny tiako hisarihana ny saintsika voalohany dia hoe misy n aiza n aiza io, ary tsy ny rehetra akory fa vitsy kosa e, manana « consience professionnelle » araka ny filazan ilay namana teo ireo olona ireo, ary nanao voady koa izy.
    Raha resaka kitoatoa, tsisy olona hnao kitoatoa tsotra izao na hoe tsy firarahiana. Betsaka ny mety antony mampiandry fa tsy hoe tsy te hiraharaha tsotra izao ilay olona: oh mbola tsis fandriana, mbola misy marary grave kokoa tsy maintsy jerena, tsy mahazo atomboka ilay fanafody raha tsy mivaly ilay analyse manokana, tsy fahampian ny fitaovana,… Zavatra tsisy miankina amin ny mpitsabo anefa ireo. Izao koa no tena anatra iray lehibe, aza miandry efa ho faty re vao hande dokotera e, indraindray koa anie, efa marary mafy efa tsisy azo atao intsony ny amin ilay marary izay vao mihazakazaka mamonjy hopitaly dia teretsika hanao miracle ary ve ilay dokotera?! Sa ny tianao, hanoratra fanafody ihany izy, satria isika havan ilay marary mahay be sur internet, ka lasa toa mahay noho ilay dokotera aza, ka tsy maintsy asainao hanoratra fanafody fotsiny ilay dokotera, dia ianao indray indrai2 no mitady hibaiko azy! Ka aiza moa enao no horarahiany!?
    Resaka maka vola, eeeeh, isika mits matetika no adala fa efa misy fitsipika mazava anie hoe ary no fandoavana vola, d izao sy izao ny vola tokony ho aloha, fa matetika isika mits no toa mamporisika ankolaka an ilay olona, oh mbola misy olona eo aloha dia mikaoty kely anle dokotera ho raisina mialoha, dia lasa cercle vicieux, izay tsy manana zany ve dia miahaka eo? Marihiko fa vitsy anefa ny dokotera manao anzany. Ny zavatra mitranga aza, matetika ny dokotera mits no miala am paosy, mamonjy an ilay marary mividy ny fanafodiny fa satria hoe tsy manambola mits ilay marary. Mampalasa eritreritra hoe fa maninona moa ny mpitsara na ny mpiasa biraom panjakana fanaovana taratasy reny, dbd ny manao kolikoly ary tena fanta poko fanta pirenena zao aza, tsy mampaninona antsika mits, mandoa zao millions ono atsy, zao millions ary, dia tena aloha na dia fantatra fa tsy rariny aza… Fa nydokotera mitsabo ny ainao, indraindray aza mamoaka am paosy manome fanafody hanavotana ny havanao, no enjehina foana isak izay mihetsika izao?! Sao dia mba tsy rariny ihany e.
    Eritrereto ary hoe mba higrevy koa izy ireo fa leo ny fanenjehana tafahoatra azy ireo e? Mahasolo ny asany ve isika ireo? Saintsaino ihany…raha misy zavatra mampalaelo anao, misy hoy aho izany, tena manaiky ah, fa resaho mivantana amin ilay olona, na ny directeur anle centre, araka ny lazainle olona teo koa, rehefa tsy hanoratra amin ny boite à idée ianao, fa aza dia faly mitsikera tafahoatra rey olona o! Ny sitraka efa tsy andrasany ary tsy ilainy akory aminao, ianao sitrana soamantsara dia ampy fifaliana ho azy, na dia tsy mba tsapatsika aza izany.
    Marihina fa tsy mpiasan ny hopitaly aho fa mba maneho ny hevitro amin ny fahatsapako ny zava misy.

    • Gasy ImpACT

      Marina mihitsy ny teninao fa misy tokoa ny tranga izay tsy miankina amin’ny Dokotera. Ary tsy tokony ny zavatra sahala amin’izany no hanenjehana azy ireny. Marina koa ny teninao fa samy tompon’andraikitra daholo isika amin’ity resaka kolikoly ity. Resaka lavabe manahirana izy ity satria tena lasa fomban-tany ary anisan’ny mamotika antsika tanteraka.

      Marina koa fa misy ny Dokotera izay manampy sy manao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny fanampiana sy fiahiana ny olona. Mino aho fa azonao tsara fa tsy ireny olona manao ny soa sy ny tsara ireny no resaka eto. Tsy misy tsikera tafahoatra akory ataon’ny olona amin’ny Dokotera rehetra tsy ankanavaka fa izay hitany sy tsapany kosa fa tsy mety dia ambarany.

      Mankasitraka anao naneho hevitra.

  • Rabenatoandro

    Fahasalamana daHolo

    TeNa zava nisy mampirutreritra tao HJRA

    Tapaka double fracture ny tanany ilay zandry kely, natao platre dia avy eo notenenina indray hoe tsy maintsy didiana.Tonga dia notakiana vola 2 000 000 ar , tsy manana ny ray amandreny dia nasaina nanao taratasy hoe mody, dia lasa nody nitady ……..mpanotra gasy !

    Dokotera o, ry ministera fahasalamana : VONJEO NY MAHANTRA!!

    • Valikara stéfano

      ino no sosokevitra arosonao mba isorohana an’izany? fantaro anefa fa andoavam-bola daholo ny fanafody izay ilaina @ fandidiana. Iza no afaka hiantoka ny lany @ izany?? Fanjakana ve, mpitsabo ve sa ireo nirahamboina?
      ny mpitsabo manampahaizana @ lafiny fotsaboana fa ny fitsaboana kosa anefa dia mila fanadoy sy karazana fitaovana izay mila vidina.

    • Rasolo

      Ny momba ilay zandrikely nanao double fracture, Rabenatoandro, inona sy aiza ary hoy ianao ny fautenle dokotera amin izany?! Izy ve no tokony handoa ilay vola? Fantatrao ve fa ny vidina materiel (vy) hanakambanana indray ireny taolana tapaka ireny dia vidiana amina millions tokoa?, ary tsy ny dokotera no mivarotra izany fa ny pharmacie? Amiko, tena nahavita ny andraikiny ilay dokotera rehafa nampanao decharge an ilay marary dia izay. Any amin ny fanjakana, resaka sécurité sociale no vaha olana amin io fa tsy ny fitsikerana dokotera na hopitaly.

      • Rabokona

        rasolo !
        Fa ra enao manokana zany d diso ndray le ray amandreny nitondra anle zandry kely tany @hopitaly satria tapaka ny tanany nefa tsy mana-bola izy?

    • Gasy ImpACT

      Fahasalamana,

      Raha jerena tokoa aloha ilay tantara lazainao dia tsy misy fahadisoana avy any amin’ilay Dokotera ilay tranga raha ny fijeriko azy. Raha ny fahitako azy dia nitady vahaolana hatrany ilay Dokotera fa teo amin’ny resaka hoenti-manana no sakana. Tsy maintsy nampanao an’ilay taratasy an’ireo ray aman-dreny izy manamarina fa miara-manaiky ny roa tonta fa antony hafa no nahatonga an’ilay zandry kely niala tao amin’ny Hopitaly fa tsy hoe akory sanatria tsy firaharahiana avy amin’ny mpitsabo.

      Ity resaka hoenti-manana ity ilay ady isan’andro eto an-tanana. Miombon-kevitra @ Rasolo aho hoe resaka rafitra (oh.sécurité sociale) no vahaolana amin’izany.

      Rahoviana i Gasikara no ho tonga amin’izany?

  • lovarand

    Miarahaba antsika rehetra.
    Mankasitraka ny tsikera rehetra. Izaho dia mpiasa @ hopitalim-panjakana. Tsy sanatria hiaro fahatany ny hopitaly, fa misy maro mahasadaikatra ihany ny Amin’ny « tantara » isan-karazany hita sy heno @ tambanjotra sosialy isankarazany. Tiako ampahatsiahivina amintsika fotsiny fa
    – Misy tale isankarazany ireny hopitaly ireny, izay olombelona toa antsika, manana « conscience » toa antsika, ary asany ny mandray ny fitarainana rehetra. Misy vata sy toerana fandraisana taratasy fitarainana avokoa ihany koa. Nefa mampalahelo fa aleon’ireo manana alahelo manao kabary tsy valiana amin’ny tambajotra toy ny facebook, toerana feno olona miandry sy manantena scandales isankarazany.
    – Sarotra ny mitsara ny zavatra misy lafiny teknika sarotra toy ny siansa fitsaboana. Mety manana ny fiheverany ny tena-boina, tsy voatery ho izay ny marina. Ny azo antoka, raha mihevitra kely monja isika dia tsy misy mpitsabo mety hahita tombony @ fahavoazan’ny hafa, na sanatria ho faly @ izany.
    – Farany, ny nampalahelo ihany moa no tena taterin’ny maro, nefa ireo faly sy misaotra ary mankasitraka ny asa ataonay eny, izay maneho izany aminay isan’andro, tsy mba haneho izany @ Facebook !!…….
    misaotra indrindra.

    • Gasy ImpACT

      Faly miarahaba anao ary misaotra indrindra amin’ny fanehon-kevitra.

      Ilaina ny zavatra sahala amin’izao satria samy manana ny marary azy sy fomba fijeriny ny zava-misy ny tsirairay ka mila mifampihaino sy mifanakalo hevitra mba hanatsara zavatra.

      – Fikambanan-javatra madinika mitambatambatra no mahatonga ny olona eny amin’ny Facebook no maneho ny alahelony fa ny fehiny dia hoe tsy fahatokisana intsony ny rafitra mipetraka. Mihevitra izy fa ny taratasy alatsaka ao anaty vata dia tsy tonga any amin’ny tompon’andraikitra mahefa. Na tonga any aza dia tsy hanova zavatra akory.

      – Mazava ho azy fa tsy ny mpitsabo rehetra manao ny asany ara-dalana akory no mampisendaotra ny olona fa ireo izay manao tsirambina ny asany. Marina ny teninao fa tsy misy mpitsabo hahita tombony @ fahavoazan’ny hafa ary tsy misy tokony ho faly rahateo @ izany fa miara-manaiky koa angamba isika fa misy ny fomba fisainana sy fitondran-tena tsy mendrika eny amin’ireny Hopitaly ireny izay mampisafoaka ny olona sy mitarika zava-doza mihitsy ary amin’ny farany. Ireny no mandratra sy mankarary ny olona. Ny hitsikitsika tsy mandihindihy foana fa ao raha.

      – Raha ny zava-nisy tatoato dia famoizana ain’olona no nahatonga ny be sy ny maro hiara-ory sy hiray hina ka na olona tsy mifankafantatra aza dia mifankahery. Toe-javatra izay mety mahatakona tanteraka ny vaovao mahafaly avy eny amin’ny Hopitaly eny.

      Mamerina fisaorana anao dia mirary soa indrindra ny mpitsabo sy ny mpandraharaha izay manao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny asa atao eny amin’ny Hopitaly eny. Enga anie ny soa ataonareo tsy ho takon’ny tsirambina ataon’ny hafa.

      • Mahefa Serge Rakotozafy

        Tsotra be izany ry namana isany. Avoahay ny Dossier dia miara-dinihina hoe inona no nahavoa an’ilay olona e. Toe-javatra toa itony no mampahomby be ny tetiky ny mpanao politika eto amintsika: Isika Malagasy olon’ny fò, ka rehefa kitihina dia tonga dia mitsamboatra fa tsy manadihady heo inona marina no tena nitranga, Tsy aleo ve resahina ilay tompon’andraikitra? Rehefa tsy hiresaka aminy ianao, resaho ny Tale e! Rehefa tsy hiresaka @Tale ianao, torio izy e! Fa tsy mety ilay ao @FB hoe ny samy tsy tia ihany no mifamendrofendro ao.

        • Gasy ImpACT

          Ny olona nitantara ny nanjo azy anie tsy nifampitarika hoe andao hanao an’izao na izao e. Sahala amin’ny olona rehetra malahelo sy tezitra amin’ny zava-misy etsy sy eroa ihany. Tsy ny resaka politika ihany no tokony handaniana andro sy hery hiadina hevitra fa ny sehatra rehetra izay tiana hohatsaraina rehetra.

          Mifanome vaovao sy mifampitantara ny zava-misy ny olona eo amin’ny Facebook. Anjaran’ny tsirairay avy eo no mandinika, manadihady, mandray fepetra na mifanakalo hevitra am-pitoniana sy am-panajana.

          Mila mianatra miady hevitra sy mifanakalo hevitra koa isika no tena marina. Ahoana ary no hanovana toe-tsaina sy hifanabeazana raha tsy misy sehatra hifampiseraserana sahala amin’ny Facebook?

          Raha misy ny tsy mety mila harenina, raha misy ny tsara mila amporisihana. Izay no tokony atao.

          • Mahefa Serge Rakotozafy

            Fa inona no tanjona sy mety ho vokatry ny fifampitantarana manjò ampahibemaso? (rehefa hitanareo fa mahomby dia tohizo foana e, angaha moa misy manakana …) Tsy miteny resaka politika aho fa firesaky ny mpanao politika. Ny olona misaina alohan’ny hiteny « en public » dia mandinika tsara ny tanjony sy ny mety ho vokany aloha. Rehefa misy mampalahelo dia maka recul aloha vao maneho hevitra fa tsy tonga dia sady miteny no misefosefo. Mila mianatra miady hevitra mihitsy isika ka! Ny FB dia sehatra itaomana ny sarabambem-bahoaka (toa ny mitabataba na mitory teny eny am-povoan’Analakely), fa ny fanatonana sy ny fifampiresahana @tompon’andraikitra no mitondra fiovana @système. Rehefa manatona tompon’andraikitra afaka aseho daholo ny fahaizana miady hevitra rehetra: manakiana sns …, avereno any aminy daholo izao teny rehetra izao e!

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :