Feno Olona Mafy Be Eto Madagasikara

Gasy Impact

© Markgraf morgueFile
Ny Mahery Tsy Maody Tsy Ela Velona

Zava-misy hiaraha-mahalala, tsetsatsetsa tsy aritra ihany no zaraina amintsika androany. Ilay fahantrana lava sy fitiavana te hisongadina tampoka ve sa inona loatra re no manjo antsika fa mitombo andro aman’alina izao ny olona “mafy be” eto amin’ny tanàna. Betsaka amin’izy ireo no tsy fantatra ny momba azy. Tsy hay hoe tamin’ny fomba ahoana na tamin’ny fotoana nanao ahoana (na dia azoazo an-tsaina ihany aza) no nahatonga azy ireny ho mafy be tampoka tao fa dia aza sendra azy ihany aloha fa dia sahirana. Raha tsy angaha hoe olona mafy be ihany koa ny tena dia mifampitana eo. Tantara mety efa faheno na niantra taminao na tamin’olom-pantatra no ho tantaraina fohy eto.

Tsy fantratr’ialahy angaha ‘zaho…?

Tranga nahazo olom-pantatra iray no nampitsiry ny hevitra hitantara azy eto. Teny amin’ny faritry Tsimbazaza (Antananarivo) iny no niseho ny tantara.

Fanao eto amin’ny tanàna moa ity mifampisisika ity, mamoaka tanana kely mangata-dalana no sady mandroso ihany rehefa mitohana izay ny fifamoivozana. Ka dia nanaraka izany fomban-tany izany ity Ranamana ity ka nisisika nampandroso ny fiarany…Nidiran’andro anefa Ranamana satria sendran’ny olona tsy nahatsindry fo. Tezitra sy nisafoaka avy hatrany ary ilay mpamily ka nivoaka no sady nivazavaza tamin-dRanamana hoe: “Tsy fantatr’ialahy angaha ‘zaho…?”

Tonga dia vantanina ny resaka fa tsy fantatry Ranamana mihitsy ilay mpamily satria na ny fiara nentiny na ny fiakanjo sivily nanaovany na ny endriny dia tsy misy marika manambara hahafahana milaza hoe olona tokony ho fantatry ny Malagasy 22 Tapitrisa avy hatrany ity rangahy nivatravatra be ity.

Ilay Ranamana nisisika (nahatsiaro ho diso) moa dia tsy nahavaly firy fa sady taitra tampoka no haingana be taminy ny fandehan’ny raharaha – izy rahateo olona tia mandamindamina izay no tsy “mafy be”. Ny azo ambara dia nivonto fo anaty fotsiny Ranamana satria sady menatra nohon’ny tabataba no naratra anaty fa voatevateva eny imason’olona kanefa mba olon-dehibe ihany. Voan’ny tampoka tsy maha-lehilahy.

Nony nandeha ny resaka dia fantatra fa toa hoe mpamily sy mpanara-dia (escorte) olona manam-pahefana ambony eto amin’ny firenena hono ity zalahy tonga fofona be ity.

Nalainy ny antonta-taratasin’ny fiaran-dRanamana ary nilaza izy fa mbola hihaona ry zareo fa tsy ho vita mora ity resaka ity…Aleo hajanona eo ny tantara fa mba lasa ihany ny saina hoe fa ahoana marina izy ity e? Santionany iray ao anatin’ny trangan-javatra betsaka faheno sy fahita ihany ity nahazo an’ilay Ranamana ity.

Sao ary dia tokony havoaka amin’ny gazeti-panjakana koa ny lisitra misy ny anarana miampy ny sarin’ireo mpamily, mpiambina, mpiasa-panjakana isan-tsokajiny sy ny havan-dry zareo tsy mahatsindry fo rehetra mba ataon’ny olon-tsotra rehetra tsianjery ny mombamomba azy ireo ka rehefa sendra azy ireny isika ka manontany ry zareo hoe: “Tsy fantatr’ialahy angaha ‘zaho?” dia mba misambotra an’ilay gazety avy hatrany isika dia mba misy havaly angamba. Ohatrany tena zava-dehibe loatra amin-dry zareo mantsy ny fipetrak’ilay fanontaniana…

Manam-pahefana daholo izao bodo sy adala rehetra izao

Ny mampiomehy sy maha-krizy amin’ny resaka sahala amin’izao dia toa lasa manam-pahefana daholo ny olona rehetra amin’izao. Na iza izy na iza ka manana fifandraisana mivantana na ankolaka amina manam-pahefana iray dia milaza izy ary mihevitra ho manam-pahefana ihany koa. Na ny sakaizan-dRakoto na ny zana-drahalahin’ny mpamilin’ny sakaizan-dRakoto dia mihevitra sy manao azy ho manana fahefana mitovy amin-dRakoto daholo. Lasa “mafy be” daholo na ny tsy misy hapoaka aza. Hany ka lasa fiteny lamôdy mahazatra ny hoe: “Tsy fantatr’ialahy angaha ‘zaho?”. Aiza moa no handeha amin’ny laoniny ny fiaraha-monina eto amin’ny tanàna?

Ilay fahefana ve izany eto amintsika dia na entina hanangonan-karena na entina hisehosehoana sy hanaovana tsindry azo lena fotsiny? Samy mandrovi-tsihy manao izay ho afany daholo eto. Tsy mahagaga raha hiadivana ny seza politika eto amin’ny tanàna: samy te ho “mafy be” daholo ny tsy mahatsindry fo rehetra. Raha mafy be anie ianareo azafady maninona moa raha hasehonareo ny fahaiza-manao hanananareo amin’ny fampandrosoana an’ity firenena ity, na porofoinareo amin’ny asa mivaingana ho hita-poko hita-pirenena ny zavatsoa vitanareo. Toa ny fomba ratsy no maha-kinga anareo fa tsy ny hanasoa ny mpiara-belona. Lasa firinga-mihevitra fotsiny no fihetsika asehonareo: tongo-bakivaky ka sady maharary no mahamenatra. Tongava saina – mba mieritrereta! Mananà fanentren-tena. Ny mahery tsy maody tsy ela velona!

Publicités

À propos de Gasy ImpACT

Soyez le chan­ge­ment que vous vou­lez voir dans le monde - Gandhi Voir tous les articles par Gasy ImpACT

2 responses to “Feno Olona Mafy Be Eto Madagasikara

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :