Fangoronan-karena: Ny Vola No Maha-Olona

© Inge Schepers  Dreamstime

© Inge Schepers Dreamstime

Raha fiteny ny hoe “ny vola no maha-rangahy” na “ny Fanahy no maha-olona”, ankehitriny kosa toa lasa ny vola mihitsy no handrefesana ny maha-olona. Lasa sahala amin’ny tany tsy misy Soatoavina sy tsy manam-panahy i Madagasikara. Toa lasa ny vola no fetra. Ny fari-pananana no hisehoana sy ijoroana ary hiavahana eo amin’ny fiaraha-monina. Ny fahalalana sy ny fahendrena ary ny fitondran-tena mendrika toa efa nilaozan’ny toetr’andro. Hany ka samy manao izay ho afany ny tsirairay mangorona harena amin’ny fomba rehetra – na tsara na ratsy – tsy tahotra tsy henatra intsony. Izay ve izany izao no fenitra eto amin’ny firenena?

Ny zavatra hita sy tsapa dia mahazo vahana tanteraka ny herin’ny vola eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika. Ny vola fitady, tsy misy maha-diso an’izany. Ary izay rahateo no anisan’ny hilofosan’ny rehetra isan’andro fa saingy rehefa ny vola kosa no lasa laharam-pahamehana ka misongona ny toeran’ny Soatoavina rehetra dia tsy mahagaga raha ny didin’ny be sandry sy  ny mpanao lalankita-kisoa no manjaka.

Tofoka sy leo ny fahantrana ary ny fahasahiranana ve isika Malagasy ka tsy mifidy fomba hivoahana amin’izany intsony?

Ny vola sy ny fisehosehoana ety ivelany ankehitriny no toa lasa hanehoan’ny olona ny maha-izy azy. Efa lasa sangisangy zaritena eny rehetra eny ny karazam-pitenenana sahala amin’ny hoe: “Hianatra dia ho aiza?”, “Hanao mpiasa birao dia hikarama firy mille?”, “Toa izay manao ny mety sy ny marina ihany no mihinana ny tsy fihinana!”, “Ka rehefa hifanaovana dia aleo samy manao e!”

Toa sahala amin’ny tsy te hiasa saina sy handinika lavitra izany intsony ny mpiara-belona fa samy manao izay hampandroso ny fiainany. S.M.P.L: Samy Mameno ny Paosy dia Lasa. Misy ny tsy te hanadihady firy izay mety ho loharanom-bola intsony fa rehefa mety hahazahoana vola aloha dia idirana. Toa lasa mifampitsiriritra ary no hiafarany ka manosika ny sasany hiditra amin’ny pataloha tery.

Mandripaka alohan’ny hafa fa sao tara

Ny sehatra rehetra eo amin’ny firaha-monina mihitsy ankehitriny no tandindinin-doza mba tsy ilazana hoe efa hiaran’ny loza. Toa efa lasa fisainana ao anatintsika ny fiteny hoe: “Tsy maintsy mba maka kely amin’izay toerana lalovana.”

Hany ka efa eken’ny saintsika Malagasy ny hoe: izay tonga eo amin’ny fitondrana na mahazo fahefana dia normal kosa izy raha maka kely ny anjarany sy manome kely ny tapaka sy namany.

Koa efa lasa zary fahazarana amin’izao fotoana ny maheno ny mpanao gazety milaza hoe: “Satria Ranona nipetraka teo amin’izao toerana izao nandritra izay fotoana izay ka efa mba nahangona “trésor de guerre” kosa izy izay hiatrehana fifidianana.”

Efa eken’ny besinimaro ho toerana fangoronan-karena sisa ve izany ny fananana fahefana. Dia ho gaga ve isika raha te hanao politika daholo ny Malagasy?

Feno “Monsieur sy Madame 10%” ny asam-panjakana – ny sehatra tsy miankina koa tsy latsak’izany. Samy te hanankarena ao anatin’ny fotoana fohy ny rehetra.

Etsy andaniny, ny tsy afa-manao politika na ny tsy manam-pahefana dia lasa mitrandraka sehatra hafa. Tsy misy mandraharaha ny resaka ara-dalàna sy ara-moraly intsony?

Tatoato dia miroborobo fatratra ny fivarontan-tena ary singanina manokana ny fampiasana zaza tsy ampy taona. Araka ny voalazan’ny UNICEF dia efa ny ray aman-dreny Malagasy sasany mihitsy ankehitriny no mamporisika sy mivaro-janaka mivantana. Aiza ilay fahendrena reharehan’ny Malagasy? Ny Zon’ny ankizy?

Ny fanendahana sy ny fandrobana indray dia tsy misy andro na alina, na toerana mangina na be olona fa amin’ny fotoana sy toerana rehetra dia mety ahitana azy. Sahala amin’ireo andiana zatovo (lahy sy vavy) tetsy amin’ny ANS Ampefiloha ny 26 Mey (2013) lasa teo izay nanakana tsotra izao ny Taxi-be dia miakatra manangona ny fananan’ny mpandeha.

Tantely afa-drakotra

Marina fa efa nisy hatrin’ny ela ny fanangonan-karena amin’ny fomba maloto fa saingy niafinkafina na nahalala menatra ihany ny mpanao azy teo aloha. Ankehitriny kosa toa efa miova mihitsy ny rivotra iainantsika fa tsy vitan’ny hoe miharihary – hita-poko hita-pirenena – ny fiovan’ny fari-piainan’ny olona iray ao anatin’ny fotoana vitsy monja fa toa zary lasa fifaninanana mihitsy ankehitriny ny hoe “izay mahazo be indrindra ao anatin’ny fotoana fohy”.

Tsy maha-menatra sy tsy mampaninona intsony ny mampiseho harena azo amin’ny vola tsy fanta-pihavina.

Ny olona izay nandalo fitantanana na fitondrana ka tsy nanan-karena tampoka indray ary matetika no mahazo fanesohesoana avy amin’ny mpiara-monina hoe “Iny koa toa anarany fotsiny no teo amin’izao toerana izao taloha fa dia tsy nahay nanararaotra.

Dia ho gaga ve isika raha manjaka ny fanodikodinam-bola sy ny fanararaotam-pahefana samihafa ?

Na isika olon-tsotra koa ary moa efa zatra miaina ao anaty kolikoly sy fanararaotana ny mpiara-belona amintsika ihany. Isika manome tsiny ny manam-pahefana mpanodikodim-bola, fa firy amintsika na olona manodidina antsika ihany koa no manao toa izany eny amin’ny sehatra tsy miankina eny? Feno karazana halatra madinidinika ny fiaraha-monina misy antsika: na eny amin’ny toera-piasana (fakana ny vola na fitaovan’ny orinasa), na ny ao an-trano (ny mpanampy sy ny havana akaiky ihany matetika no miray tsikombakomba amin’ny mpamaky trano).

Toa lasa ny vola ankehitriny no maha-poritra sy hamaritana ny maha-olona ny tsirairay.

Rotika ny fahendrena Malagasy, potika ny toe-tsaina, lasa lomorona ny fiaraha-monina misy antsika.

Mila manova famindra sy manarina ny fomba fijery ary foto-pisaina ny Malagasy. Ny tena olana sy mampalahelo dia tsy hita intsony izay olona hianteherana. Ny lalàna tsy misy manaja, ny tompon’andraikitra tokony hampiatra azy sy hanara-maso toa miraviravy tanana na manampy trotraka. Na ny mpitondra na ny vahoaka anefa dia samy mandrovi-tsihy. Iza no sahy hijoro?

Vola ihany ary vola hatrany. Lasa ifanaovana sy ifampitarihana ny zava-dratsy eto an-tanàna. Hany ka lasa izay tsy manaraka ny fanaon’ny besinimaro indray amin’izao fotoana no voalaza fa mihanahana na olona adala na miana-kendry. Dia izay ve izany no firaha-monina hivoarana eto Madagasikara rahatrizay?

Publicités

À propos de Gasy ImpACT

Soyez le chan­ge­ment que vous vou­lez voir dans le monde - Gandhi Voir tous les articles par Gasy ImpACT

6 responses to “Fangoronan-karena: Ny Vola No Maha-Olona

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :