Archives mensuelles : septembre 2012

Mandehandeha Mahita Raha…(Allemagne)

© Pakhnyushchyy

Niresaka ny maha-zava-dehibe loatra ny fahazaina fiteny vahiny hafa ankoatry ny fiteny Frantsay isika tamin’ny farany. Ny fiteny Frantsay izay fantatra fa na dia anisan’ny fiteny ofisialy fampiasa eto Madagasikara aza dia tsy voafehin’ny Malagasy rehetra. Ny tarehimarika (2010) nomen’ny “Organisation Internationale de la Francophonie” (O.I.F) dia milaza fa 5% ny Malagasy fotsiny no azo ambara fa tena mahafehy azy tanteraka, ary 15% kosa no tahan’ny olona afaka mampiasa azy amin’ny ampahany. Varavarana iray lehibe hahafahana mivoatra sy mivelatra ara-tsaina kanefa ny fahaizana fiteny vahiny ka tsy tokony hionona amin’ny lalana tokana ny Malagasy fa kosa hitrandraka fiteny vahiny hafa koa izay azo antoka fa hanokatra tontolo hafa ho an’ny tsirairay. Valandresaka nifanaovana tamin’i Tahiry R., mpianatra Malagasy iray izay manohy ny fianarany any Allemagne no tanterina amintsika eto.

 « Andrianiko ny teniko ary ny an’ny hafa koa feheziko”

GasyImpACT (G.I) : Manao ahoana i Tahiry, azonao zaraina fohy aminay ve ny antony nisafidiananao an’i Allemagne ho firenena handratoana fianarana ?

Tahiry: Manao ahoana. Efa ela aho no naniry ny hivoaka an’i Madagasikara mba hijery ny zava-misy amin’ny firenena mandroso sy hianatra zava-baovao izay mety hoe tsy fahita eto amintsika. Dia nisy firenena vitsivitsy nandalo tato an-tsaiko fa…ohatrany nahasintona ahy ny firenena sahala amin’i Allemagne izay firenena anisan’ny malaza amin’ny resaka teknolojia sy matanjaka ara-toekarena kanefa tsy dia fantatsika Malagasy loatra no…tsy mahavantana ny ankizy koa raha oharina amin’ny firenena sahala amin’i France na Canada ohatra. Ny marina koa dia mahaliana ahy ilay kolotsaina “nordique” izay malaza amin’ny resaka “discipline” sy fiarovana ny tontolo iainana. Dia Allemagne no firenena nahasarika ahy rehefa avy nanao fanadihadiana madinidinika aho.

G.I: Raha tsy hiresaka ny fandrosoana ara-materialy isika, inona no zavatra mety hoe nahafinaritra na nanamarika na koa mety hoe nandratra anao manokana nandritra ny fianaranao?

Tahiry: Betsaka ny zavatra azo tantaraina fa…ny tonga ato an-tsaiko voalohany angamba dia ny elanelana zara raha misy eo amin’ny mampianatra sy ny mpianatra. Ohatrany nahatsapa aho hoe…akaiky kokoa amin’ny mpianatra ny mpanabe any. Tena mipetraka tsara ny fifanajana eo amin’ny roa tonta kanefa tsapa koa hoe miezaka ny mpampianatra hanome fahafaham-po ny mpianatra mba hizotra araka ny tokony ho izy ny fampianarana. Ohatra hoe…manome ny laharan’ny telefonina sy adiresy mailaka ry zareo hifandraisana ary manome toky – amin’ny ankapobeny – fa hamaly ny fanontanianao ao anatin’ny 24 ora. Misy koa fotoana isan-kerinandro – ankoatry ny fampianarana andavanandro – voatokana hahafahan’ny mpianatra manatona an-dry zareo any amin’ny biraony raha mila mihaona.

Ny zava-baovao tamiko dia isaky ny faran’ny “Semestre” (mizara enim-bolana ny taom-pianarana any) dia mahazo alalana ny mpianatra hitsara ny fomba fampianarana sy manome “Note” ny mpampianatra tsirairay. Ary tena raisin’ny Oniversite tsara ny tatitra. Efa nahita mpampianatra aho ohatra tsy afaka nampianatra intsony tao aminay satria nahazo “salan’isa ratsy” avy amin’ny mpianatra.

Ny nahavarina sy nampitsiky ahy koa dia ny mahita ny mpianatra mifampijery sy mikentrona raha vao tara kely fotsiny ny mpampianatra. Misy fotoana resaka 2 minitra aza dia efa taitra ny ankizy hoe fa misy inona? Ary ny mpampianatra rehefa tonga avy any ka sanatria tara dia tena miala tsiny be noho izay fahatarana izay fa tsy mody fanina na hoe mametraka ny tenany ho tsy azo tenenina.

Ny zavatra hafa nahagaga ahy koa tamin’ny voalohany dia ny mahita ny ankizy misakafo sy misotro rano (Jus, Coke, etc) mandritra ny “cours”. Mitohy tsara anefa ny fampianarana ary ny mpampianatra koa toa tsy voahelingelina amin’ny zavatra sahala amin’izany. Tsy haiko hoe izay ve ilay hoe manao izay “mahapety azy tsara” ny rehetra rehefa mianatra fa dia mahavariana ahy izay satria tsy nahazatra taty Madagasikara.

G.I: Manao ahoana ny toerana misy ny fiteny Alemanina amin’ny ankapobeny. Sarotra sa mora ny miteny azy? Ary ampy hivelarana eo an-toerana ve sa mila manampy fiteny vahiny hafa?

Tahiry: Ny fahitako azy manokana aloha dia ohatran’ny fiteny rehetra ihany ny Alemanina, izany hoe rehefa tena ianarana sy mahaliana ilay fiteny dia mandeha tsimoramora eo ihany ny fifehezana azy miaraka amin’ny fotoana sy ny fahasahiana mampiasa azy. Fa betsaka aloha ny olona no milaza hoe anisan’ny fiteny sarotra fehezina izy.

Izaho koa mahita hoe…satria “Allemagne” firenena matanjaka ary voalohany ara-toekarena any Eoropa dia fiteny tsy azo idifirana ny Alemanina ho an’ny olona maniry hifampiraharaha amin-dry zareo. Mazava ho azy fa mibahana be ao an-toerana ilay fiteny satria ny zavatra rehetra dia voazava sy voasoratra amin’ny teny Alemanina avokoa ary indraindray na teknolojia avo lenta aza dia tsy misy dikanteny fa dia amin’ny fiteny Alemanina irery ihany.

Fa ny zavatra tsikaritro fotsiny dia manana anjara toerana lehibe ny fiteny Anglisy satria io no fiteny vahiny voalohany hahafahan-dry zareo mifandray eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ka matetika ny olona manana na maniry hihazona andraikitra ambony eo amin’ny orinasa iraisam-pirenena iray dia miteny Anglisy. Betsaka rahateo ny tolotr’asa (asa birao amin’ny sehatra tsy miankina) izay mitaky fa tsy maintsy mahafehy fiteny Anglisy ny olona iray ankoatra ny fiteny Alemanina.

Hany ka tsy vitsy ny ankizy mpianatra eny amin’ny Oniversite no mahay fiteny telo farafahakeliny. Ry zareo avy any Eoropa Atsinanana no hitako hoe anisan’ny sangany amin’izay resaka izay. Misy mpianatra mahafehy fiteny karazany dimy. Ohatra misy ankizy avy any “Ukraine” izay efa miteny ny fitenim-pireneny, dia ambonin’izay mahay miteny “Russe” (izay fampiasan-dry zareo any amin’ny taniny ihany koa), dia miampy ny fiteny Alemanina (izay ampiasaina any am-pianarana sy fiainana an-davanandro) dia manampy azy ny fiteny Anglisy (ampiasaina any am-pianarana sy toeram-piasana). Dia matetika ireo karazana fiteny ireo mbola miampy fiteny hafa iray arakaraky ny tanjon’ny tsirairay. Misy ohatra ankizy maniry ny hiasa any Amerika Atsimo dia mianatra “Espagnol” izy ary misy kosa ankizy hafa te hiasa amin’ny orinasa Alemanina any “Chine” dia mianatra fiteny Sinoa izy.

Lire la suite

Publicités

%d blogueurs aiment cette page :