Malagasy Dream sa S.M.P.L ?

Fomba Fisainana Malagasy

© Alex Matei

Fiteny sy faheno matetika ny hoe “American Dream”. Foto-kevitra iray ilazana fa na iza na iza olona miaina ao Etazonia, ka miasa araky ny tokony ho izy, mifofotra sy manana herim-po ny hivoatra dia azo antoka fa hanankarena. Nanakoako eran-tany izany “feo” izany ka anisan’ny antony nampiroborobo ny fifindra-monina nankany. Mihevitra ny tsirairay fa na tanam-polo aza any am-boalohany dia resy lahatra fa hanana ny ampy ao aoriana kely.

Tsy hidirantsika lalina ny fiainan’ny Amerikanina sy ny teo-draharaha misy any amin’izao fotoana izao. Fa raha dinihana akaiky ilay “American Dream”, dia nofy sy fanirian’ny olona eran-tany. Iza tokoa moa no tsy maniry ny hahomby sy hanana ny ampy, na aiza na aiza, na inona na inona ny toerana na firenena misy azy? Samy manana ny tanjony, samy te ho tafita, samy te hanararaotra an’ity fiainana mandalo ity, samy te hiaina araka ny tokony ho izy.

Ary izay indrindra no tokony anjaran’ny rafitra rehetra misy eo amin’ny firenena iray: manome vahana, manamora ny fandraharahana, manatsara ny foto-drafit’asa, manome fahalalahana amin’ny lafiny maro, mametraka ny tany tan-dalàna, miaro ny zon’ny olona mba ahafahan’ny tsirairay mivoatra sy manatratra ny tanjony eo amin’ny fiainana kanefa tsy manimba ny hafa.

Aiza isika Malagasy ao anatin’izany? Inona ny toe-tsaina mibaiko antsika andavanandro?

Raha ny harena misy eto Madagasikara no voatrandraka araka ny tokony ho izy: manaraka ny mangarahara sy voatantana tsara dia azo heverina angamba fa farafaharatsiny sahala amin’ny laharan’ny toe-karena misy atsy Afrika Atsimo no toerana misy antsika ao anatin’ny fotoana fohy, izay firenena Afrikanina tokana ao anatin’ny G20 (fikambanan’ny firenena 20 manankarena indrindra eto ambon’ny tany).

Fa inona moa no mampiazakazaka ny firenena matanjaka ho avy eto Madagasikara?

Tsy ny harena isan-karazany misy eto ve? Ny mampalahelo dia olom-bitsy monja sy olona hafa firenena no manjakazaka sy manankarena, ary tompoina eto Madagasikara fa ny ankoatry izay dia mifanipaka an-karona toa ny valala, ny ambik’ambiny hatsipin’ ny olona amin’ny tany no ifandroritana sy hifamonoana – izay no toe-javatra hatrizay ka hatramin’izao.

Sanatria hanenjika sy hanome tsiny be fahatany ny hafa na ny vahiny no vahaolana. Ry zareo mahalala ny ilainy fa isika koa tokony hahalala ny tadiavintsika ka mametraka ny tanjona sy rafitra matotra ary toe-tsaina mifanaraka amin’izany mba hanana fiaraha-monina mampivoatra sy miteraka fandrosoana.

Marina fa tsy ny Malagasy rehetra no latsaka ambany amin’ny resaka toe-tsaina, betsaka ny mangetaheta ny hivoatra ary manana ny finiavana ny hanova zavatra. Tsy vitsy ny Malagasy misongadina sy manana ny maha-izy azy eo amin’ny fiaraha-monina fa betsaka koa ny tsy mahalala ny lalan-kombàna.

▪ Ao ny tafavoaka soa aman-tsara tonga amin’ny tanjona iriana fa mipirina sy mangina sao voaroba na ripaky ny toe-tsaina ory hava-manana,

▪ Ao ny manangon-karena amin’ny fomba rehetra fa te ho tafavoaka mafy. Tsy olana na ara-dalàna na tsia, tsy miasa saina na hanimba ny hafa aza: “Vola ihany ry Ranona a!”

▪ Ao indray no mihevitra fa tsy ho tafavoaka intsony – tsy sahy mieritreritra akory,

▪ Ao ny tsy mahalala akory fa manan-jo ny ho tafavoaka ary tokony ho tafavoaka,

▪ Ao indray no tsy mandinika akory ka mihevitra fa fandanian’andro izany resaka izany fa ny hanina hohanina,

Marina fa efa samy vizan’ny fahantrana, matahotra sy tofoky ny fahadisom-panantenana ny rehetra. Kanefa kosa tsy maintsy isika tsirairay no mandray an-tanàna ny fiainantsika raha tsy izany dia ny hafa no hanao ny sitrapony amintsika. Manan-jo sy mendrika ny hivoatra ny Gasy fa tsy ho mpitazana sy mpitsiriritra fotsiny ny fananan’ny hafa.

Mety ho tonga ao amintsika ve ny toe-tsaina izay hanova ka hampivotra ny Gasy tsirairay? Sa inona ny “Malagasy Dream” hipetraka ho an’ny tantara: “S.M.P.L? Samy Mameno ny Paosiny dia Lasa” ve?

À propos de Gasy ImpACT

Soyez le chan­ge­ment que vous vou­lez voir dans le monde - Gandhi Voir tous les articles par Gasy ImpACT

3 responses to “Malagasy Dream sa S.M.P.L ?

Laisser un commentaire