Archives mensuelles : janvier 2012

Tsaho + Tondromolotra = Armes de destruction massive gasy

Fitsaram-bahoaka

© Imre Forgo

Impiry isika no maheno firesaka : « Nisy an’izao HONO… » na « Izao indray HONO no malaza e… » na « Izao HONO no fandehan’io resaka io… » na « i Ranona anie HONO… « , ets. Feno HONO ny resaka rehetra. Inona no tena vaovao mari-pototra? Resaka noatavizina? Sa resaka tiana atao fotsiny?

Hiaraha-mahalala fa isika Malagasy dia havanana amin’ny fitiavan-dresaka. Isika rahateo manana Kolontsaina niaina sy nifampita ny tantara tamin’ny alalan’ny lovatsofina. Noho izany efa ao anatintsika mihitsy ity fahaizana miresaka sy mampita resaka ity.

Mazava loatra fa tsy ny lovatsofina no olana eto fa ny fitiavana manitatra sy fanapariahana vaovao tsy marina ary ny famoronan-javatra fotsiny tsotra izao. Mazava ihany koa fa tsy ny olona rehetra no mpamoron-tsaho, fa misy ny tena havanana amin’ity taranja ity.

Ny olana goavana matetika dia ny fitanterantsika sy fanapariahana feo na vaovao izay tsy hananantsika antoka ny fahamarinany. Te hiseho ho mahitahita vaovao tsy fahitan’ny hafa ve? Sa mba te handray anjara na hanafana resaka ka tsy maninona na milaza vaovao tsy marina aza?

Ny mampihomehy sady mampalahelo matetika dia ny mpitantara manitatra ary ny mpihaino koa tsy mamakafaka: tafahaona ny tia sy ny manina. Ny zava-doza dia tantara na vaovao tsy fata-pihaviana sy tsy fata-pototra no miparitaka ka heverina ho zava-misy ka voizin’ny besinimaro. Misy karazan’olona hafa indray miezaka mametraka sy mampiomana fa ilay “feo” izay henony dia tsy fantany ny fahamarinany fa kosa resahana ihany aloha sao dia…Matetika ireny resaka ireny dia miatomboka na miafara amin’ilay fiteny hoe: “Tsy haiko aloha izay fahamarinany an! Fa izany HONO!”

Mitovy ihany ny vokany aty amin’ny farany satria rehefa foy ny resaka ka miampita dia manana helatra hoy ny fitenenana. Ny mahavarina sy mahagaga indraindray dia na ny mpanao gazety sasany aza latsaka sy manamparitaka an’ireny “feo” ireny amin’ny haino aman-jery. Ny antenain-kanirina indray no mampivandravandra?

Tsy lavitra an-draTsaho ny Tondromolotra satria ilay “feo” niparitaka dia efa noraisina ho “zava-misy” sy “fahamarinana” ho an’izay rehetra tsy mandinika sy tsy mamakafaka ary atosiky ny hafanam-po ka mitarika tondromolotra eny amin’ny fiaraha-monina.

Ny Tsaho no bala ary ny Tondromolotra no basy…

Lire la suite

Publicités

Malagasy Dream sa S.M.P.L ?

Fomba Fisainana Malagasy

© Alex Matei

Fiteny sy faheno matetika ny hoe “American Dream”. Foto-kevitra iray ilazana fa na iza na iza olona miaina ao Etazonia, ka miasa araky ny tokony ho izy, mifofotra sy manana herim-po ny hivoatra dia azo antoka fa hanankarena. Nanakoako eran-tany izany “feo” izany ka anisan’ny antony nampiroborobo ny fifindra-monina nankany. Mihevitra ny tsirairay fa na tanam-polo aza any am-boalohany dia resy lahatra fa hanana ny ampy ao aoriana kely.

Tsy hidirantsika lalina ny fiainan’ny Amerikanina sy ny teo-draharaha misy any amin’izao fotoana izao. Fa raha dinihana akaiky ilay “American Dream”, dia nofy sy fanirian’ny olona eran-tany. Iza tokoa moa no tsy maniry ny hahomby sy hanana ny ampy, na aiza na aiza, na inona na inona ny toerana na firenena misy azy? Samy manana ny tanjony, samy te ho tafita, samy te hanararaotra an’ity fiainana mandalo ity, samy te hiaina araka ny tokony ho izy.

Ary izay indrindra no tokony anjaran’ny rafitra rehetra misy eo amin’ny firenena iray: manome vahana, manamora ny fandraharahana, manatsara ny foto-drafit’asa, manome fahalalahana amin’ny lafiny maro, mametraka ny tany tan-dalàna, miaro ny zon’ny olona mba ahafahan’ny tsirairay mivoatra sy manatratra ny tanjony eo amin’ny fiainana kanefa tsy manimba ny hafa.

Aiza isika Malagasy ao anatin’izany? Inona ny toe-tsaina mibaiko antsika andavanandro?

Lire la suite


%d blogueurs aiment cette page :